Auteur/autrice : Adnews

Baolina kitra Vakinankaratra  : Tompondaka ny Gendarmerie Nationale FC

Tontosa ny alahady 14 jona lasa teo, tao amin’ny Kianja Velodrome Antsirabe, ny famaranana niadiana ny ho tompondakan’ny ligin’i Vaki­nankaratra D1, taranja baolina kitra. Voahosotra ho tompondaka ny Gendarmerie Natio­nale FC, rehefa nandresy ny FC Valahara, tamin’ny isa mazava, 4 no ho 0. Nanjaka ny fahaiza-manaon’ireo mpilalaon’ny zandary. Satria, teo […]

Kianja Kanto Antsararay : Nahazo kianja basikety ny boriborintany faha-6

Nahazo kianja filalaovana basikety ny mponina eny amin’ny boroborintany faha-6. Vita ary notokanana ny alarobia lasa teo ny toerana nomena ny anarana hoe kianja Kanto Antsararay. Tetikasa tafiditra ao anatin’ny “Pepinière urbaine” an’Antananarivo Reni­vohitra, nentin’ny Gret hiarahana amin’ny Kaominina An­tananarivo Renivohitra ary tohanan’ny AFD (Agence française de développement) ity tetikasa ity. […]

VAOVAO TAMBATRA

Maro ny fotodrafitrasa vita ao anatin’ny tetikasa “Picas 1”, any amin’ny Faritra Anôsy, tohanan’ny Bad, toy ny tsena, ny magazay mpiara-miombon’antoka, ny EPP sy CEG any Agnarafaly. Eo am-panatanterahana ny tobin’ny zandarimaria sy ny CSB. Hisy koa ny fanorenana trano fonenana, tany hambolena ary fanohanana ny fiompiana ho an’ny tokantrano […]

Seranam-piaramanidina Ivato : Haranty ny vokatra « Malagasy ny antsika »

Notokanana omaly, ao anatin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, Antananarivo, ny toerana manokana ahitana ireo vokatra manana ny mari-pamantarana label « Malagasy ny antsika ». Tompon’antoka amin’ny fanatanterahana azy ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (Sim), miaraka amin’ny orinasa Ravinala Airports, mitantana ny sera­nan’Ivato. Nambaran’ny filohan’ny Sim, Rasamimanana Tiana, fa mandalo ny mpandeha, fa ny […]