Mandeha ny asa! Mitohy ny fanendrena mpiasam-panjakana ambony, mandeha ny fidinana ifotony tarihin’ny filohan’ny Repoblika. Manao ranolava ny fahatongavan’ ny vahiny, manasonia fifanaraham-piaraha-miasa. Mandeha tsikelikely eny ny zava-drehetra! Tsy natao hampilavo lefona rahateo ny sedra maro isan-karazany, izay lalovan’ilay firenena sy ny vahoaka ao aminy. Iarahan’ny rehetra mizaka ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Razafiarison Laza: “Mila ovaina ny rafitra parlemantera”
Irosoana izao ny fifidianana depiote. Hanao ahoana? Manana ny fijeriny ny filohan’ny antoko RCR, Razafiarison Laza, fa ilaina ovaina ny rafitra parlemantera. Fanehoan-kevitra… “Raha depiote iray amin’ireo boriborintany enina eto Antananarivo, ohatra, no manolotra lalàna: lalàna toy inona no azon’ny eny anivon’ny parlemanta hanatsarana an’Antananarivo? Tsy misy izany. Noho izany, […]
TSELATRA
Mpandeha taksiborosy iray no very sakaosy lehibe teny Fasankarana, omaly maraina. Niainga avy any Manakara izy, afakomaly, ka teo am-pahatongavana vao nahatsikaritra fa tsy hita tao ambony fitoeran’entana ny sakaosiny. Manahy izy fa very nandritra ny fampidinana ny entan’ny mpandeha izany. Nambarany fa misy antontan-taratasy momba ny asany ao anatin’ilay […]
Fanafihan-dahalo: lehilahy maty voatifitra tao ambany heliny
Namoy ny ainy vokatry ny tifitra nataon’ny olon-dratsy ny raim-pianakaviana iray tao amin’ny tanàn’Ampahidambo, fokontany Mandriambero, kaominina Mahavelona, distrika Ankazobe, ny alin’ny alarobia 24 avrily teo. Nitsoaka ireo nahavanon-doza. Tsikaritr’ireo dahalo fa avy nanao vary, notafihan’izy ireo ny raim-pianakaviana iray. Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika ireo olon-dratsy efa-dahy. Notifirin’ireo olon-dratsy teo […]
Ramalason Olga : nanampatra fahefana tao Antsirabe
Vesatra momba ny tsy fangaraharan’ny fitanana teo amin’ny kaominina Antsirabe, tamin’ny taona 2008, no ihazonana vonjimaika any am-ponja an-dRamalason Olga, izay ben’ny Tanàna teo aloha. Tompondraikitra voalohany tamin’ny fanafoanana ny taratasim-barotra momba ny tany nolovain’olona izy. Niady teny anivon’ny fitsarana ny tompon-tany rehefa nahalala fa tsy misoratra amin’izy ireo intsony […]




