Auteur/autrice : Adnews

TARATRY ny KANTO

« Ambiance Latin Jazz » hiarahana amin’ny Le Groupe 4/4. Haneho ny fahaiza-mitendry sy mitsoka ary mikapoka zavamaneno sy ny fampiarahana izany ry Do Andriambelo eo amin’ny gitara beso, Mbola Andrianoelina hitendry ny piano, Mihaja Rakotoarisoa hikapoka ny amponga maroanaka, i Titi Razakamiadana sy Naivo Andriambelo kosa no hitsoka ny saksôfônina. Seho […]

Sarimihetsika malagasy: Mpisehatra 156 nomena mariboninahitry ny kanto

Tazana tao avokoa ireo mpilalao sarimihetsika be mpankafy. Nahazo ny mari-boninahitry ny kanto koa anefa ireo mpisehatra tsy tazana amin’ny fahitalavitra… 57 nomena ny « Comman­deur », 41 « Officier » ary 58 kosa « Chevalier ». Niisa 156, araka izany, ireo mpisehatra anatin’ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy nomena ny mariboninahitry ny kanto, ny soratra ary ny […]

Rugby – Famaranana ny « XXL Top 20 » : Hiady ny hiakarana divizionina voalohany ny RCSA sy ny Rosa

Hifampitaona etsy Ando­hatepanaka, ny faran’ny herinandro ho avy izao, ireo Ma­lagasy mpankafy ny taranja Rugby. Hifanandrina amin’ny famaranan’ny Top 20 ny samy kartie, Rosa club de L’Imerina Antohomadinika sy ny Rugby club des soldats Anosibe (RCSA). Hotanterahina ny alahady ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatape­na­ka, ny lalao famaranan’ny […]

JJB-London Spring IBJJF : Nandrombaka medaly 2 ny Malagasy

Namiratra indray ny Malagasy mpiangaly ny taranja Jiujitsu brezilianina, nandritra ny fifaninanana “London Spring IBJJF”,  natao tany Angletera, ny faran’ny herinandro teo. Samy nahazo medaly i Aiky sy i Mahasoa. Vokatra tsara indray no norombahin’ny Mala­gasy mpikatroka ny ta­ranja Jiujitsu brezilianina,  nan­dritra ny “London Spring IBJJF”,  natao ny faran’ny herinandro teo. Nandrombaka […]

VAOVAO TAMBATRA

30% amin’ireo milina indostrialy “One District One Factory” (Odof) napetraka manerana ny Nosy ihany no mihodina. Tsy feno ireo milina, ao ireo manana olana ara-pitantanana. Misy ihany koa ireo napetraka amin’ny toerana tsy mifanaraka amin’ny asam-pamokarana sahaza azy. Ankehitriny, mametraka paikady sy politika vaovao entina hanarenana izany ny fanjakana. Misehatra […]