Auteur/autrice : Adnews

Orinasa afakaba : “Agrément” miisa 141 hosintomina

Hentitra. Mahatratra 141 ny sata mifehy maha orinasa afakaba ho sintomina noho ny tsy fanarahan-dalàna ataony. Nivoitra izany nandritra ny tomban’ezaka nataon’ny minisitry ny Indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina (MIDSP), Raharimanjato Nirina Nampoina, omaly, tetsy Anosy. “Maro ny fepetra tsy voahajan’ireo orinasa toy ny tsy fanarahan-dalàna, tsy […]

Jirama : Hisy milina hafa 30 MW hihodina

Nanazava ny tale jeneraly (DG) ny Jirama, ny jeneraly Rasolomanana Hajatiana, mahakasika ny fahatapahan-jiro sy ny fidinan’ny tanjaky ny herinaratra. Tsy delestazy mifandimby no ampiharina fa noho ny fiovaovan’ny famokarana vokatry ny vanim-potoana maintany. Simba ny fitaovana mitsinjara herinaratra, ny tariby, ny vata fanapahana herinaratra, ny vata mpanova herinaratra, sns. […]

30 taona ny Tany Meva: Fikambanana malagasy voalohany misehatra amin’ny tontolo iainana

Malagasy mpamatsy vola ireo vondrom-piarahamonina eny ifotony miaro ny tontolo iainana ny Fondation Tany Meva. 30 taona niaraha-niasa mivantana amin’ny mponina, ho fiarovana ny tontolo mananaina eto Madagasikara. Niorina ny taona 1996 ny Fondation Tany Meva. Fikambanana malagasy mamatsy vola ny tetikasa volavolaina sy aroson’ny vondrom-piarahamonina eny ifotony. Nosantarina, omaly, […]

FANTINA sy FINTINA

Miantso ny tanora ho saro-piaro amin’ny tolona natao ireo avy amin’ny Tambaben’ny mpitolona. Nohitsin’izy ireo fa natao ambanin-javatra ny fanabeazana raha ny hita any Antanimora Atsimo, tamin’ny fisian’ireo mpiadina CEPE nipetraka tamin’ny tany. « Mbola nahena indray anefa ny tetibola amin’izany sy ny fambolena », hoy izy ireo. Notoloran’ny fanjakana “Commandeur de […]

Fanavaozana ny lisi-pifidianana : Hitety tsena sy tokantrano ny Ceni…

Nambaran’ny mpampakateny, Rajafetra Setraniaina Solomanjaka, fa efa vita ny fanavaozana ny birao maharitry ny Ceni. Havaozina, araka izany, koa ny fomba fiasa miaraka amin’ny toe-tsaina mandala ny mangaraharaha sy fifanakalozana, araka ny nambarany. «Hampandray anjara ny mpisehatra politika sy ny fikambanana politika ary ny fiarahamonim-pirenena isika amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana», […]