Auteur/autrice : Adnews

Fitokonana an-dalambe : “Hitohy ny fitakiana”, hoy ny Gen Z “Voakarama ireo”, hoy ny Filoha

Nanomboka omaly ny fidinana an-dalambe ataon’ny Gen Z. Nilamina ny dia avy eny Ambohijatovo nihazo an’Analakely. Nambaran’ny Kly Randrianirina Michaël fa olona voakarama ireto manakorontana. Niverina nidina an-dalambe ny tanora Gen Z, omaly. Nifamotoana teny Ambohijatovo izy ireo. Vao maraina, efa nisy ny fitangoronana sy ny fametahana sorabaventy. Mitaky ny […]

Handball Mada Jeunes : Resin’ny HBCI ny HTHB Atsinanana

Voahaja ny lojika teo amin’ny vokatra ho an’ny lalao manasa-dalana, sokajy cadette, fiadiana ny ho tompondakam-pirenena taranja handball. Fihaonana notanterahina tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, omaly. Resin’ny HBCI Ihorombe tamin’ny isa mazava, 37 no ho 12 ny HTHB Atsinanana. Tsy niady mihitsy ny lalao fa nanjaka tokana ireo mpilalaon’Ihorombe. Tombony […]

Maître Kelly : Mangataka roa taona hanarenana ny kick-boxing

Nitondra ny taranja kick-boxing teto Madagasikara Rasoanaivo André Kelly, fantatra amin’ny anarana hoe Maître Kelly. Manana hetaheta hitondra fanavaozana eo amin’ity taranja ity ny tenany. Naneho ny hetahetany amin’ny tokony hitondrana fiovana eo amin’ ny taranja kick-boxing ny Maître Rasoanaivo Andre Kelly. Izy no nitondra ity taranja ity teto Madagasikara, […]

La Fouine sy Gazo: Seho iraisam-pirenena sy matihanina ny anio

Mpihira manana ny toerany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena no mandalo eto Madagasikara. Hanatanteraka fampisehoana, anio, etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Hitazona ihany koa ny maha izy azy. Fampanantenana lehibe roa sosona no azon’ireo mpankafy ny sanganasan’i Gazo sy La Fouine, oma­ly. Andaniny, avy any amin’ny Nas Prod mpikarakara ny fampisehoana, […]

INFP Ivato : Narenina ireo “atelier de mécanique”

Notanterahina omaly, tao amin’ny INPF Ivato, ny lanonana ofisialy fanolorana ny asa fanarenana sy fampitaovana ireo atelier de mécanique ao an-toerana. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa amin’ny mpiara-miombon’antoka (FCE) izany. Nitarika ny lanonana ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Dr Andriamampandry Todisoa […]