Auteur/autrice : Adnews

Seho iraisam-pirenena : Tonga omaly alina i La Fouine sy Gazo

Raha ny fampahafantarana natao, omaly, momba ilay seho hotontosaina etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, tonga omaly alina eto Mada­gasikara i La Fouine sy Gazo. Haharitra ora telo eo ho eo ity fampisehoana hotanterahina rahampitso ity. Hialohavana «Tremplin» sy fanentanana ary fanafanana ataon’ny Dj ny fiakaran’izy ireo ny sehatra. Fantatra, omaly, […]

Fampisehoan’i Eric Manana sy Jenny : Hanampiana an’i Honorat ny vola azo

Rehefa hesorina ireo fandaniana amin’ny fikarakarana ilay seho. Fantatra, omaly, fa hanampiana an’i Honorat (Fou Hehy) izay tojo tsy fahasalamana ny vola ho azo amin’ny fampisehoana hotanterahin’i Eric Manana sy Jenny ary ny Feo Gasy ao amin’ny Lapan’ ny fanatanjahantena sy ko­lontsaina, ny alahady 12 avrily izao. Hisy ihany koa […]

INDRAY MIJERY

Mandray anjara amin’ny Tsapiky festival ny minisiteran’ny Fampianarana ambaratonga ambony, amin’ny alalan’ny oniversiten’i Toliara. Hisy «Conférences scientifiques” hanehoana ny voka-pikarohana momba ny Tsapiky sy ny maha harembakoka iraisam-pirenena tsy azo tsapain-tanana azy. Hiarahana amin’ireo mpampianatra mpikaroka ao amin’ny Oniversiten’i Toliara izany. Hanao diabe ara-kolontsaina koa ireo mpianatry ny Oniversiten’i Toliara […]

Dépôt de médicament: Nohamafisina ny traikefan’ireo mpitantana

Ho fanatsarana hatrany ny tolotra eny amin’ireo toeram-pivarotam-panafody na ny dépôt de médicament, nomena fiofanana, izay iarahana amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoka, ireo mpitantana. «Manodidina ny 1 400 ireo toeram-pivarotam-panafody manerana ny Nosy, mamaly ny filan’ireo mpanjifa, indrindra any ambanivohitra sy amin’ireo toerana tsy ahitana farmasia», araka ny fanazavan’ny filohan’ny vondrona mpivaro-panafody […]