Piment Café – Mahery sy Nanie. Haverina anio alina indray ilay fiarahana an-tsehatr’ireto mpanakanto ireto, etsy amin’ny Piment Café Behoririka. Fampiaraham-peo maromaro no nalahatr’izy ireo, volana vitsivitsy lasa izay. Maro mpankafy izany ka betsaka ireo nangataka famerenana. Hanao ny hirany manokana ihany koa izy mianadahy ireto. M’Lam – Ho an’i […]
Auteur/autrice : Adnews
Anoka Ba Gasy: hamerina ireo hira tsy tontan’ny ela
“Hanina an’i Neny. Hira anisan’ny nampalaza ny fampiaraham-peon’i Barijaona sy O’Suzah izy ity. “Hira noforonin’ny anadahin-dreniko, Randria Gervais, ny Hanina an’i Neny. Nampihiraina an-dry Barijaona izany, ary tena be mpankafy. Ankehitriny haverinay Anoka Ba Gasy indray ny hira”, hoy ny nambaran-dRalanto. Iray amin’ireo mpikambana mandrafitra ny tarika Anoka Ba Gasy. […]
“Ripo” andiany fahadimy: voafantina handray anjara Rabearivelo Dina
Fanararaotra, ahafahana maneho ny maha izy ny haikanto malagasy, indrindra ny azy manokana, ny fampirantiana iraisam-pirenena. Maro ny olona mifanerasera sy tonga miatrika io fotoana io amin’ny maha fihaonam-be iraisam-pirenena azy. Tanterahina ny 13 hatramin’ny 18 febroary 2024, any Ouagadougou Burkina Faso, ny Rencontres internationales des peinture de Ouagadougou (Ripo), […]
“Grand Poetry Slam 2024”: efa miomana ny mpikarakara
Tanterahina ny 6 hatramin’ny 12 mey 2024, any Paris Frantsa, ny «Grand Poetry Slam”, fifaninanana hiadiana ny amboara maneran-tany eo amin’ny poezia sy ny slam. Firenena maro no mandray anjara amin’izany ary anisan’ny manana solontena i Madagasikara, amin’ny alalan’ Andriamanantsoa Santatriniaina na i Santa. Efa eo am-panomanana tanteraka izany fifaninanana […]
«Bandy Rangahy 2024»: eny amin’ny Madagascar Espace ry Samoëla
Tsapa ho nangetaheta tsy mbola afapo ireo mpankafy tamin’ny zoma lasa teo… Maromaro rahateo ny tarika nandray anjara tamin’ilay “Tolo-tanana ho an’i Mikakely”. Samoëla ranoiray kosa ny anio alina, eny amin’ny Madagascar Espace eny By Pass, manomboka amin’ny 9 ora alina. Natao ho an’ireo mpankafy izay miandrandra izany foana izy […]




