Auteur/autrice : Adnews

Fifandraisan-davitra : tafakatra 151 tapitrisa ny mpanjifan’ny Airtel Afrika

Nahatratra 100 tapitrisa dolara ny renivola novidian’ny vondrona orinasa fifandraisan-davitra Airtel Afrika. Nitombo ny isan’ny mpanjifa, sady nahomby ny fifanakalozam-bola. Nitombo 9,1% ! Tafakatra 151, 2 tapitrisa ny isan’ny mpanjifan’ny vondrona Airtel Afrika tamin’ny taom-piasana 2023. Naha­tratra 62,7 tapitrisa ny mpanjifa mampiasa ny tolotra, raha 37,5 tapitrisa ny mampiasa ny fifanakalozam-bola. […]

INDRAY MIJERY

3 tapitrisa ny isan’ny olona mahazo tombontsoa amin’ny tetikasa « Mionjo », ho an’ny faritra telo any Atsimo. Kaominina 234, anatin’ny distrika 14, no voakasika amin’ny fanohanana ny mponina hiarina hiatrehany ny voina samihafa. Nanomboka ny taona 2022 ary hifarana ny taona 2025 ny tetikasa, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola. EPP efatra any […]

Fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza : nitety ny asa any atsimo i Reena Ghelani

Tamin’ity herinandro ity, nidina tany atsimon’ny Nosy, nitety ireo asa tohanan’ny mpamatsy vola sy ireo mpiara-miombon’antoka ny iraky ny Firenena mikambana tarihin’ny sekretera lefitra, i Reena Ghelani. Notarihin’ny tale je­neralin’ny BNGRC ireo ekipa nanao fitetezam-paritra. Nisantarana ny dia ny fitsidihana ny Start Network ao Anjataoka 3. Nanazava ny tombontsoa azony […]

Marins pompiers de Marseille : nampiofana ny mpamonjy voina

Nampiofana sy nifampizara traikefa ireo sampana mpamonjy voina ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny avy ao amin’ny Marins Pompiers de Marseille tamin’ity herinandro ity. Mahakasika ny fitantanana sy ny fahaiza-manao amin’ny famonoana afo no tena votoatin’izany. Misy ihany koa ireo fitaovana maromaro hoentina hiarovana amin’ny afo izay nanampian’ny Marins […]

Fanadinana CEPE : manomboka ny fisoratana anarana

Efa mitombo ny isan’ny olona mangataka taratasim-panjakana eny amin’ny biraon’ny boriborintany hikarakarana fanadinana fa misokatra ny fisoratana anarana amin’ny fanadinam-panjakana. Efa nisokatra ny alatsinainy 22 janoary teo ny fotoana fisoratana anarana ho amin’ny fanadinam-panjakana voalohany, CEPE, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Mbola ny 22 marsa ho avy izao […]