Auteur/autrice : Adnews

SOMBIM-BAOVAO

Ny ekipan’ny JEA no solontenan’ny ligin’i Vakinankaratra amin’ny fifaninanam-paritra «  De la Rue vers l’Or », taranja basikety 3 x 3, sokajy vehivavy U23. Fifaninanana hotanterahina manomboka ny 16 hatramin’ny 18 febroary ho avy izao, eto Antananarivo. Tanterahina nanomboka ny 30 janoary lasa teo, any amin’ny faritr’i Boeny, ny fanofanana mpanazatra, […]

Lalao afrikanina: hifaninana i Madagasikara

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia lasa teo, ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara amin’ny lalao afrikanina, andiany faha-13 hatao any Accra Ghana, ny 8 hatramin’ny 25 marsa izao. Resy lahatra ny fitondram-panjakana rehefa namelabelatra sy nanazava ny maha zava-dehibe ity fifaninanana ity ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Resampa André Haja, […]

« Can 2023 » : hifanandrina i Nigeria sy i Angola

Efa fantatra avokoa ireo firenena hiatrika ny lalao ampahefa-dalan’ny “Can 2023”, atao any Côte d’Ivoire. Hanokatra izany voalohany ny fihaonan’i Nigeria sy i Angola. Hotanterahina anio, ao amin’ny kianjan’ny Le Felicia Côte d’Ivoire, ny fihaonana eo amin’ny Super Eagles, Nigeria sy ny Pa­lancas Negras, Angola. Ta­fiditra amin’ny lalao ampahefa-dalan’ny fiadiana […]

Arivonimamo : dahalo telo voasambotra

Vehivavy iray sy dahalo roa lahy voasambotra ny mpitandro filaminana tao Amba­tomanga, distrikan’Arivoni­ma­mo, afakomaly. Naharay loharanom-baovao ny mpitandro filaminana fa mihazona basy tsy ara-dalàna izy mivady ireo. Nosavaina ny trano fonenany ka tratra tao ny kavin’omby am-polony sy ny taratasin’omby maromaro. Tsy nisy nifandraisany tamin’ireo kavin’omby ireo taratasy ireo. Naha­trarana […]

Holafitry ny mpanao gazety : voafidy ny solontena eo anivon’ny HCDDED

Tontosa, omaly, teny amin’ny birao fiasan’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Ma­daga­sika­ra (OJM), Ambohi­dahy, ny fifidianana izay hisolo tena azy ireo eo anivon’ny Filankevitra ambony ho amin’ny fiarovana ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED). Voa­fidy tamin’izany i James Rama­rosaona. Tamin’ny alalan’ny la­tsabato ana habaka no na­naovana izany ary tamin’ny […]