“Tsy afa-misaraka ny tontolo iainana sy ny fambolena. Rehefa simba ny tontolo iainana, potika ihany koa ny tany dia ratsy ny vokatra”, hoy ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy (MEDD), Vina Marie-Orléa. Manoloana ireo karazana famokarana sy fambolena tsy manaja ny tontolo iainana misy eto amin’ny firenena. […]
Auteur/autrice : Adnews
Pr Rasamoelina Henri : « 9%-n’i Madagasikara sisa no misy ala »
Loza mitatao ho an’ny tontolo iainana, indrindra ho an’ny olombelona ny faharipahan’ny ala. Anisan’ny iharan’ izany fahasimbana sy fahapotehina izany ny ala eto Madagasikara. “Tsikaritra mivantana izany fihenan’ny ala izany, raha vao mandeha lalam-pirenena fotsiny, indrindra rehefa mandeha fiaramanidina. Ary na ny ala atsinanana aza ho ritra”, hoy ny profesora […]
Razanamahasoa Christine: “Manaja ny soatoavina repoblikanina aho”
Anisan’ireo nanatrika ny fametrahana amin’ny toerany sy ny fianianan’ny filoha Rajoelina Andry, teny Mahamasina, ny sabotsy teo, ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine. Nambarany, tamin’izany, ny antony nanatrehany iny lanonana iny. “Manaja ny soatoavina repoblikana ny tenako, ka adidiko ny mamaly ny fanasana nalefa tamiko”, hoy izy. Nomarihiny fa tahaka ny […]
Fiarahan’ny mitovy taovam-pananahana : “Tsy mitsodrano ny fiangonana katolika !”
Nitondra fanazavana manoloana ny resabe momba ilay fitsofan-drano ny fiarahan’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy ny sekretera mpandrindra ny Fivondronamben’ny eveka, ny mompera Rafanomezantsoa Seraphin. Nohamafisiny fa tsy mitsodrano izany ny EKAR. “Tsy hisy mihitsy ny fitsofan-drano ny fiarahan’ny olona mitovy taovam-pananahana. Tsy midika izany fa tsy ilaina […]
INDRAY MIJERY
Vata fampangatsiahana 3 sy kojakoja miaraka aminy no natolotra tao amin’ny Malagasy Medical Analysis Laboratory na ny laboratoara (LA2M) eny Androhibe. Avy amin’ny famatsiam-bolan’ny Fond Mondial no nahafahana nanolotra izany. Manampy betsaka amin’ny fitehirizana ireo vaksiny ny fitaovana azo. Nantitranterin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka fa manana andraikitra sarobidy ny sampandraharahan’ny fitehirizan-dra etsy […]




