Auteur/autrice : Adnews

FAHATAPAHAN’NY LALANDRA : «Olona iray isaky ny adiny 8 no tratrany»

Miresaka mahakasika ny fahavakisana na fahatsentsenan’ny lalandra (AVC) ny dokotera Razafimahefa Ju­lien, manam-pahaizana ma­no­kana momba ny fo sy ny lalandra, ao amin’ny hopitaly Befelatanana. Nolazainy fa olona 1 isaky ny adiny 8 no tratran’ny AVC eto Mada­ga­sikara. Izay no voarakitra eny anivon’ny hopitaly fa mbola misy anefa ireo olona mijanona […]

Taom-pahavaratra 2022-2023 : faritra 10 amin’ny 23 nitondra faisana vokatry ny rivodoza

Ilaina ny manavao ny drafitrasa hiatrehana ny hamehana toy ny rivodoza, hampihenana ny voka-dratsy amin’ny olona sy ny fihariany ary ny fotodrafitrasa samihafa. Taorian’ny faritra hafa, anjaran’ny faritra Boeny ny fanatontosana atrikasa fanavaozana ny drafitrasa hiatrehana ny hamehana (PCR), notarihin’ny Prefen’i Mahajanga sy ny talen’ny Cervo, Razafimandimby John Herimiandry. Notronin’ireo […]

TARATRY ny KANTO

Nahemotra amin’ny 27 janoary 2024 ny hetsika “Misy mihaino?”. Antony, mikatona manomboka ny 22 desambra ka hatramin’ny 4 janoary 2024 ny Cercle Germano-Malagasy. « Misy mihaino ? », famelomana ampahana tantara fandefa amin’ny Radio, holalaovin’ny mpikambana ao amin’ny Faribolana Sandratra, natao ahatsiarovana ireo zoky nampianatra sy nanofana ny Faribolana Sandratra. Nodimandry i Fleur. […]

“Festival Tsika Jiaby” ANY FRANTSA : homena sehatra ny mozika malagasy

Sambany! Izay vao hisy hetsika lehibe ho an’ny kolontsaina amin’ny ankapobeny sy ny mozika malagasy manokana. Hotontosaina any Frantsa ny “Festival Tsika Jiaby”. Telo andro an-danonana, hanandratana ny zavakanto malagasy, ny 18 hatramin’ny 20 mey 2024 izany. Hatao ao amin’ny “Domaine de Courson”, any Courson-Montloup, Frantsa, ity hetsika lehibe ity. […]