Velona ny hazolava tao amin’ny fokontany Amboanara avaratra, kaominina Mafaijijo, distrikan’i Maintirano. Zazalahikely varira vao efa-taona monja no lasan’ny dahalo roa lahy, ny asabotsy alina teo tokony ho tamin’ny 11 ora alina tao an-toerana. Tamin’io fotoana io, niditra an-keriny tao amin’io renim-pianakaviana mananontena io ireo olon-dratsy ka nitaky vola taminy. […]
Auteur/autrice : Adnews
Fanafihana rava: jiolahy iray saika matin’ny fitsaram-bahoaka
Nikasa hanafika tokantrano iray tao amin’ny fokontany Bemasoandro, kaominina sy distrikan’Ambohimahasoa, tra-tehaky ny fokonolona ny jiolahy iray, ny marainan’ny 16 novambra teo. Telo lahy, nifarimbona hiditra an-keriny tao amina tokantrano iray anatin’io fokontany io ireto jiolahy ireo. Mailo anefa ny tompon-trano. Vantany vao nahare ny fisian’ireo olon-dratsy, niezaka nampahafantatra ireo […]
Vokatry ny orana: roa lahy mpamaky vato maty tototry ny tany
Nampihoron-koditra! Roa lahy mpamaky vato no indray namoy ny ainy nihotsahan’ny tany rehefa namaky vato toy ny fanaon’izy ireo tao Dar-Es-Salam akaiky ny Jirama ao Diego hely, ny zoma lasa teo. Nanao izay ho afany ny mpamonjy voina niaraka tamin’ny mpitandro filaminana nanao ny asa famonjena, saingy efa tsy avotra […]
Taksiborosy tra-doza: lehiben’ny fokontany sy zazamena vava maty
Fiara mpitatitra olona iray no nitsoraka tany ambany tetezana, afakomaly tamin’ny lalam-pirenena voalohany. Lehilahy sy zazamena no namoy ny ainy. Nieren-doza ny mpandeha 21 hafa. Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin’ny lalam-pirenena voalohany, afakomaly, tokony ho tamin’ny 09 ora maraina. Tra-doza tamin’izany ny fiara mpitatitra mampitohy an’i Kiraomena sy Tsiroanomandidy. Tapaka […]
RN9 : une station de pesage à Ambondrolava
Le ministère des Travaux publics (MTP) procède à de la construction d’une station de pesage à Ambondrolava, au PK 13 de la RN9, dans le cadre de la mise en œuvre du Projet d’aménagement d’infrastructures routières (PAIR) financé par la Banque africaine de développement (Bad). Les travaux d’une durée de […]