Natao ny 10 novambra teo, tany Manakara ny tombana sy ny famaranana ny fandaharanasa Formaprod, ho an’ny faritra Vatovavy sy Fitovinany. Nanomboka ny taona 2017 ny fandaharanasa ho an’ireo faritra roa ireo. Niahy azy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), vatsian’ny Fida, sampandraharaha ao amin’ny Banky iraisam-pirenena ho an’ny […]
Auteur/autrice : Adnews
« Fampidiran-jiro mora »: tokantrano 195 000 misitraka herinaratra
Maro ny tokantrano an-tanàn-dehibe sy ambanivohitra tsy mbola manana herinaratra. Izany no mahatonga ny minisiteran’ny Angovo sy ny Jirama, manao ny tetikasa « fampidiran-jiro mora ». Natao tamin’ny taona 2021 ny fandaharanasa «fampidiran-jiro mora», tohana avy amin’ny Banky iraisam-pirenena ho an’i Madagasikara. Tanjona ny ahazoan’ny rehetra herinaratra isan-tokantrano. Manatanteraka azy ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo, sy ny orinasa […]
INDRAY MIJERY
Tanterahina ao Antsirabe hatry ny omaly ary aharitra 5 andro ny atrikasa fanatsarana ny paikady fizarana faobe sy maimaimpoana ny lay misy odimoka ho an’ny taona 2024. Anisan’ny fomba iray fiarovantena amin’ny kaikitry ny moka ny fatoriana anaty lay. Izany indrindra no hanavaozana hatrany ny fomba fizarana hisitrahan’ny rehetra izany. […]
Ritra ny loharano: nandatsaka orana ny meteo sy ny Jirama
Mikorontana ny famatsian-drano sy famatsiana herinaratra noho ny faharitran’ny loharano mamatsy ireo renirano amin’ny tanàna maro. Fandatsahana orana ihany anefa ny vahaolana, raha ny nambaran’ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby. Ny 9 sy 10 novambra teo dia nanatanteraka hetsika fandatsahana orana ny meteo Madagascar sy ny Jirama, indrindra […]
Miami Toamasina : nianoka ny hatsarany ny mponina
Miami Toamasina, tena raitra ny fotodrafitrasa izay hitondra ainga vao ho an’ny faritra Atsinanana. Misokatra ho an’ny daholobe ny faran’ny herinandro teo an-toerana izany. Fanajariana morondranomasina tsara indrindra aty amin’ny ranomasimbe Indianina ity ao Toamasina ity raha ny fanazavana nentin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny trano fonenana. Nisitraka […]




