Auteur/autrice : Adnews

FIMA sy MVBA : mitombo hatrany ny mpanohana ny kandidà laharana fahatelo

Manao tohivakana ireo fikambanana mirotsaka manohana ny kandidà laharana fahatelo. Araka ny nambaran’izy ireo, maro ireo vokatsoa azony nandritra ny fitondran’ity kandidà ity ary irarina ny mbola hitohizan’izany. Amin’izao vanim-potoan’ny fifidianana izao. Maro ireo fikambanana no resy lahatra ka mirotsaka manohana ny kandidà laharana fahatelo. Ankoatra ireo efa mivondrona manohana […]

Fiaraha-miasa Japoney-Malagasy: nankasitrahana ny fikambanan’ireo maintimolaly (AAAJM)

Nomena mari-pankasitrahana avy amin’ny minisitry ny Raharaham-bahinin’ny Japa­na ny fikambanan’ny maintimolalin’i Japana (AAAJM ) tao amin’ny trano fonenan’ny ma­soivohon’ity firenena ity eto Madagasikara. Ho fankasitrahana azy ireo tamin’ny anjara biriky nentiny ho amin’ny fanamafisana ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta no antony, hoy ny fanazavana. Niorina ny taona 1986 […]

Teleferika : 27 ireo cabines hiainga eo Anosy hampitohy an’i Soarano

Nijery ny fandrosoan’ny asa fanamboarana ny fitaterana an-tariby an-tanàn-dehibe, omaly, tetsy Anosy, ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny trano fonenana, Andriamanohisoa Gérard. Tsy tanteraka tanaty fotoana napetraka ny asa satria miankina betsaka amin’ny orinasa manao ny asa izany. Eo koa ny fepetra 17 izay iankinan’ny ain’olona ary manaja […]

BNGRC: Vonona amin’ny haintrano sy haintany ary ny tondradrano

Natao teny amin’ny BNGRC Antanimora, ny alakamisy teo, ny fivorian’ny komity ivondronan’ireo mpisehatra amin’ny fitantanana ny loza (Cric). Natao tamin’izany ny tatitra mahakasika ny haintrano nisy teto Madagasikara nandritra ny taona 2017-2023. Fotoana mampirongatra ny firehetana etsy sy eroa rahateo izao. Nampahafantatra ny mety ho anton’ireny firehetana ireny ireo teknisianin’ny […]

CEDS: tsy tokony hatahotra ireo manampahaizana ny mpitondra

Mampandroso firenen-kafa ny Malagasy manampahaizana rehefa tsy omena ny lanjany sy ny toerana ahafahany mitondra fampandrosoana eto amin’ny taniny. Tsy tokony hampatahotra velively ireo manampahaizana. Namoaka ny andiany faha-19 ny CEDS oma­ly, tetsy Anosy, ary nifanindran-dalana tamin’ny fanamarihana ny faha-20 taonan’ny CEDS izany hetsika izany. Nisongadina nandritra ny resaka nataon’ny […]