Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimierampirenena, tetsy Tsimbazaza sy ny Antenimierandoholona, tetsy Anosy. Nafana sy niavaka ny fanokafana izany, raha ny zava-nisy teny an-toerana. Nipetraka nitokana tamin’ny seza havian’ny efitrano fivoriana avokoa ireo solombavambahoaka momba ny fitondrana, nanao akanjo volomboasary. Nitokana tamin’ny an-kavanana kosa ireo depiote […]
Auteur/autrice : Adnews
Loza mihatra !
Loza ity hoy Rainimanonja! Tonga any amin’ny fifamonoana ny samy Malagasy madinika. Tsy tandindonin-doza intsony ilay fiarahamonina fa mirona any amin’ny fifandratrana sy fanimban-javatra. Misy ny maratra isan’andro. Tsy misy manaiky lembenana amin’ny fanehoan-keviny. Mifandrefy hery amin’ny daroka sy vely kibay. Ny tena marina, samy niandry « action » […]
Razanamahasoa Christine : « Atsaharo ny fifandranitana tsy hitondra fitoniana »
Hentitra ary nahitsy ny lahatenin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, Razanamahasoa Christine, omaly teny Tsimbazaza. Niantso ny amin’ny tokony hifampiresahana ny tenany. “Ho an’ny andaniny sy ny ankilany, atsaharo ny fifandranitana izay tsy hitondra fitoniana. Aoka hiverina amin’ny filaminana”, hoy ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, nanomboka ny fivoriana ara-potoana faharoa, teny Tsimbazaza, omaly. […]
Distrikan’i Besalampy : dahalo efa-dahy maty voatifitra
Dahalo efa-dahy maty voatifitry ny zandary tao amin’ ny fokontany Bekoky, kaominina Bekodoka, distrikan’i Besalampy, afakomaly. Nifanena tamin’ny dahalo efatra mirahalahy nitondra omby halatra ny zandary roa lahy, tamin’ny 4 ora maraina. Nofotompotorina ireto olon-dratsy ka niaiky fa omby halatra ireto tratra teny aminy ireto. Nentina hihazo ny biraon’ny zandary, araka izany, izy efa-dahy. […]
TSELATRA
Tompon’omby iray voan’ny bala nataon’ny dahalo tao Ampasimaika, kaominina Beraketa, distrikan’i Bekily, ny alahady 15 oktobra teo. Niezaka haka ny omby nalain’ireo olon-dratsy ny lasibatra. Nitifitra tamin’ny fitaovam-piadiana ny mpandroba ka voa teo amin’ny tratrany ilay tompon’omby. Nandroba omby 9 hafa tao amin’ny tanàna iray anatin’io kaominina io ireo dahalo. […]




