Mitohy ihany ny famirampiratan’ireo Malagasy atleta! Nandrombaka medaly 12, volamena 2, volafotsy 4, alimo 6 indray izy ireo, omaly. Notontosaina omaly, ny andro fahefatry ny Lalaon’ny Kaomisionan’ny tanora sy ny fanatanjahantena ato anatin’ny ranomasimbe Indianina (CJSOI), izay tanterahina any Seychelles. Nahazo medaly 12 vaovao indray i Madagasikara, ka volamena 2, […]
Fanatajahantena
Fahavitan-tena ara-tsakafo: Manohana an’i Madagasikara ny ONU
Natao tany Addis-Abeba ny fihaonana an-tampon’ny Firenena mikambana mahakasika ny rafitra ara-tsakafo. Vonona hanohana an’i Madagasikara ny vondron’ireo mpiara-miombon’antoka. Nisolo tena an’i Madagasikara nandritra ity fivoriambe UNFSS +4 ity ny Sekreteram-panjakana misahana ny Fahaleovantena ara-tsakafo (Sesa), Razanamahefa Tahian’Ny Avo. Nikarakara azy ny firenena italiana sy etiopiana, natrehin’ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena rehetra, […]
Rallye vacances : Nasiam-panamboarana ny «Epreuves spéciales»
Hotanterahina any Mahajanga, ny 14 ka hatramin’ny 16 aogositra ho avy izao, ny «Rallye vacances”. Dingana fahatelo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Fifaninanana karakarain’ny klioba Gojang. Nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety, nataon’ny tomponandraikitry ny klioba tetsy Soarano, ny sabotsy lasa teo, no nahalalana fa misy zava-baovao nentina […]
“ASIEF 2025” : Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tany Mahajanga
“Fanatanjahantena ao anatin’ny fitoviana sy ny firaisankina” no lohahevitra ho an’ny fifaninanam-pirenena Association sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires (Asief) taona 2025. Fifaninanana tontosaina ao Mahajanga, izay nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, ny zoma 1 aogositra lasa teo, teny amin’ny “Village Touristique” Mahajanga. Diabe niainga teny amin’ny Barea no nanombohana ny […]
DAKA AN-JORONY: Sakay sy tsiperifery io ê!
Tsy zava-baovao amin’ny sofina intsony fa toy ny sakafo fihinana isan’andro ny fandrenesana tsy fifankahazoana eo amin’ny ligy sy ny federasionina. Mahavalalanina ihany anefa fa raiamandreny sy zanaka ka tsy mifampiaino intsony. Ny iray kizitina, ny iray be kirina, hany ka mihenjan-droa mifampisintona havia sy havanana. Sakay sy tsiperifery io […]




