Higadona eto an-toerana, anio, ireo mpikatroka avy any Canada, hiatrika ny « Lemur Cup », taranja Jiu-jitsu brezilianina, izay hatao rahampitso 17 mey, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Hotontosaina anio hariva ihany koa ny seminera hiarahana amin’i Eric Noel sy Radafy Ranaivo, manomboka amin’ny 3 ora hariva. Misongadina hatreto ny ekipan’ny GNBC […]
Fanatajahantena
Beach volley-« Open de l’Océan Indien »: Resy teo amin’ny 1/4 dalana i Robsell Thierry sy i Berto
Tontosaina tany La Réunion, nanomboka ny 13 mey lasa teo, ary hifarana ny 17 mey izao, ny fiadiana ny amboaran’ny ranomasimbe Indianina, amin’ny taranja Beach volley na ny “Open de l’Océan Indien”. Tsy diso anjara i Madagasikara fa nanana solontena, ekipa roa (sokajy lahy sy vavy) no nihazo an’i La […]
Barea de Madagascar: Nantsoina i Ehsan Kari, mpilalao D4 any Frantsa
Nivoaka ny alarobia teo, tetsy Isoraka, ny lisitry ny mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Omaly indray, namoaka ny pejin’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), fa nantsoina hanatevin-daharana ny Barea ihany koa i Ehsan Kari, izay vodilaharana, milalao ao amin’ny klioban’ny RC Pays de Grasse, diviziona fahefatra any Frantsa. […]
Tsipy kanetibe – «Tournoi des champions» : Hifanandrina ny samy tompondaka maneran-tany
Hiaina fifaninanana goavana ny mpitia ny taranja tsipy kanetibe, afaka herinandro. Hifanandrina ao anatin’ny “Tournoi des champions” ireo efa nandrombaka ny tompondaka maneran-tany sy ny tompondakan’i Afrika. Hifampitady any anaty fifaninanana amin’ny “tir de précision” ihany koa izy ireo. Hangotraka ny fihaonana amin’ny “Tournoi des champions”, eo amin’ny taranja tsipy […]
Basikety N1A: resin’ny GNBC ny MB2All
Niditra tamin’ny andro fahadimy omaly, tany Mahajanga, ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara N1A, taranja basikety, ho an’ny vondrona A. Fihaonana anisan’ny nandrasan’ny maro ny lalao teo amin’ny GNBC Analamanga sy ny ekipa tompondaka, ny MB2All Analamanga, teo amin’ny sokajy vehivavy. Nifandanja ny lalao hatrany am-piandohana ary mbola […]




