Notontosaina omaly, tetsy amin’ny orinasa Yas Andraharo, ny antsapaka nahafantarana izay ho mpifanandrina amin’ny lalao ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja baolina kitra « Yas Coupe de Madagascar ». Araka ny tazana, omaly, hifandona amin’io ny klioba samy mifanintsana amin’ny « World Cola PFL », ny Mama FC sy ny AS Avenir Ste Anne. […]
Fanatajahantena
Fanomanan-tenan’ny Barea: avy any ivelany avokoa ny 98% amin’ireo mpilalao nantsoina
Misy mpilalao vaovao, eo ihany koa ireo tafaverina indray ao anatin’ny Barea de Madagascar. Na izany aza, saika mpilalao mpilaravinahitra avokoa ny nantsoin’i Corentin Martins, mpanazatra ny Barea hiatrika ny lalao tsapa any Frantsa, ny volana jona ho avy izao. 24 ireo mpilalao nantsoin’i Corentin Martins, mpanazatra ny Barea, hiatrika […]
Fitantanana Spaoro: tanora vonona hizara ny traikefany i Zo
Tanora anisan’ny nanaraka ny fiofanana Cams (Cours avancés en management du sport), Andriambololona Zo Hajanirina ary nahazo ny mari-pahaizana, tamin’ny andiany faha-6 « Fototra » farany teo. Tsy vaovao eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena izy ary vao haingana no nandrombaka ny medaly volamena, nandritra ny “Open de Saint Denis”, natao tany La Réunion, […]
“IHF Trophy, sokajy vehivavy”: firenena efatra hiady izay ho lohany
Raikitra fa hotanterahina ny 24 ka hatramin’ny 31 mey ho avy izao, eto Madagasikara, ny fiadiana ny “IHF Trophy”, taranja handball ho an’ ny faritra faha-7. Fihaonana natokana ho an’ny sokajy U17 sy U19, vehivavy, ihany ny amin’ity taona 2025 ity. Tsy misy afa-tsy firenena efatra no hiady izay ho […]
« Yas Semi-marathon 2025 »: hisy ny fifaninanana 10 km natao ho an’ny rehetra
Afaka andro vitsy, hiatrika lalao eny amin’ny arabe an’Alarobia ireo mpitia ny taranja hazakazaka, « Sémi-marathon ». Hiavaka ny hetsika, hisy ny fifaninanana 10 km izay natao ho an’ireo tsy manana kara-pilalaovana. Hotanterahina eny amin’ny Kianja Alarobia, ny 25 mey ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “Yas Semi-Marathon”, andiany […]




