Tapitra tamin’ny fahombiazana, ny fifaninanana eran-tany taranja baolina kitra na « Mondial », ho an’i Lionel Messi sy Di Maria, mpilalaon’i Arzantina. Azon’izy ireo ny amboaran’ny Mondial 2022, natao tany Qatar, ny alahady teo. Rehefa nandavo an’i Frantsa tamin’ny fandakana « tirs au but », 4 no ho 2, raha toa ka nisaraka ady […]
Fanatajahantena
Basikety-“Ligue en fête” : Amboara 42 no nozaraina
Nizotra araka ny tokony ho izy ny korana nokarakarain’ny ligin’Analamanga, taranja basikety, teny amin’ny Espace Fenitra Bypass, ny alahady 18 desambra teo. Lanonana nentina namaranana ny taom-pikatrohana 2022 no sady nanomezana ny amboara ho an’ireo ekipa mendrika sy nahazo fandresena tamin’ity taona 2022 ity. Amboara 42 no nozaraina nandritra izany […]
Tae-kwon-do WT : “Tokony hifaninana avokoa ny rehetra”, hoy i Franck Tiana
Anisan’ny ligy namerina ny Tae-kwon-do amin’ny lazany teo aloha Analamanga. Manoloana izany, takin’izy ireo ny handraisan’ny mpikatroka rehetra anjara hitazomana ny lentan’ny fifaninanana. Nambaran-dRakotomanana Franck Tiana, filohan’ny ligin’Analamanga Tae-Kwon-Do, fa tsy tokony hisy izany mpikatroka tonga dia tafakatra fotsiny izany, satria efa tompondaka farany. “Tokony handray anjara amin’ny fifaninanana avokoa […]
Mondial – Qatar 2022 : Tompondaka i Arzantina
Voahosotra ho tompondaka eran-tany fanintelony ny Albiceleste Arzantina. Resiny teo amin’ny famaranana, tamin’ny “tirs au but”, 4 no ho 2 ny Les Bleus Frantsa. Tratra ny tanjona ho an’i Messi. 36 taona aty aoriana, tompondaka eran-tany indray ny Albiceleste Arzantina. Nahazo kintana fahatelo, ry zalahy ary tratra ny tanjona ho […]
Volley ball-CCCZone: mety ho 3 ny ekipa vehivavy malagasy
Anatin’ny fiomanana tanteraka amin’izao ireo klioba malagasy hiatrika ny fifaninanana CCCZone 7 (Coupe des clubs Champions Zone 7), taranja Volley ball. Fifaninanana hatao ny volana febroary 2023 izao any Maorisy. Raha ny loharanom-baovao, nangataka tamin’ny Federasiona malagasy ny volley handray anjara amin’ity CCCZone 7 ity ny ekipan’ny Bi’As, ka mety […]