Araka ny vaovao navoakan’ny Espaniola, omaly, mety hitohy hatramin’ny taona 2024 ny fifanarahana eo amin’ilay mpanjakan’ny baolina kitra arzantinina, Lionel Messi sy ny klioba frantsay Paris Saint Germain (PSG). Marihina fa tapitra amin’ny volana jona 2023 ny fiombonan’ny roa tonta. Tsiahivina fa tonga tao amin’ny PSG tamin’ ny volana aogositra […]
Fanatajahantena
Judo-Fifaninanam-pirenena : hitiliana izay handrafitra ny ekipa nasionaly
Hotontosaina ny 14 hatramin’ny 16 avrily ho avy izao, ao amin’ny kianja mitafon’ Ankorondrano, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy rehetra, taranja Judo. Hitiliana ireo mpikatroka mendrika handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, Cadets sy Juniors, ity fifaninanam-pirenena ity. Araka ny efa fantatra, eto […]
Rugby – “World Cup 2023” : maratra i Reece, mpilalaon’ny All Blacks
Tsy afaka hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany “World Cup 2023”, taranja rugby, hatao any Frantsa, ny 8 septambra – 28 oktobra ho avy izao i Sevu Reece, mpilalao Néo-Zélandais. Araka ny vaovao hita tao anaty tambajotran-tserasera omaly, maratra eo amin’ny lohaliny na “rupture des ligaments croisés” ity “Trois-quarts […]
Muay Thai : hatao ny 8 sy 9 avrily izao ny fifaninanana nasionaly
Hotontosaina ny 8 sy 9 avrily izao ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Muay Thai. Fifaninanana hitiliana izay hisolo tena ny Malagasy amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena mety handraisan’i Madagasiakra anjara, araka ny nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasin’ny Muay Thai, Rakotoalizao Haina Tiana Gervais. Hisy mantsy, hoy izy, […]
Kitra vehivavy : hanazatra an’i Frantsa i Hervé Renard
Raha tsy misy ny fiovam-baovao eo amin’ny federasion’ny baolina kitra frantsay (FFF), hanazatra ny ekipa vehivavy frantsay i Hervé Renard. Handimby an’i Corinne Diacre, mpanazatra ny Les Bleus teo aloha izany ity teknisianina frantsay ity, araka ny vaovao nivoaka omaly, tany Frantsa. Marihina fa mbola manazatra an’i Arabia Saodita i […]





