Samy mbola mitsakotsako ny faharesen’ny Barea de Madagascar indroa misesy nanoloana an’i Centrafrique avokoa na ny mpilalao na ny federasiona na ny mpijery, indrindra fa ny mpanazatra. Ao anatin’ny aretina ankehitriny ny ekipa malagasy. Mitady hitsoaka ny mpanazatra, i Nicolas Dupuis. Manoloana ny tsy fahombiazan’ny Barea de Madagascar, ka nahararaka […]
Fanatajahantena
Tae-kwon-do ITF: 200 mianadahy nanaovana fifantenana
Notanterahina teny amin’ny Fofikri Ilafy, ny sabotsy 25 marsa lasa teo, ny «Best of Analamanga», taranja Tae-kwon-do, nokarakarain’ny ITF Mass (Madagascar Association). Hetsika voalohany, ho an’ny taona 2023. Nandray anjara tamin’izany ireo mpikatroka 200 mianadahy mianaka, avy amin’ny klioba Ambohidratrimo, Avaradrano, Atsimondrano ary Antananarivo Renivohitra. Nifaninanana, tamin’izany ny Tul (Kata) […]
Basikety-ISPM : hampiray ny tanora amin’ny “Mibala Tournament”
Mankalaza ny faha-30 taonany amin’ity taona ity ny ISPM (Institut supérieur Polytechnique de Madagascar). Ho fanamarihana izany, mikarakara fifaninanana basikety “Mibala Tournament”, izy ireo, izay hatao ny 17 hatramin’ny 24 avrily izao eny amin’ny kianja mitafo Mahamasina. Fifaninanana misokatra hoan’ny mpianatra amin’ny Oniveriste rehetra manerana an’i Madagasikara, ahitana ekipa 15 […]
Rugby – XXL Top 20 : tsy voatohitry ny FTBA ny 3FB
Nitohy ny alahady lasa teo, teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny andro faharoa amin’ny fifaninanam-pirenena, taranja rugby XXL Top 20. Saika voahaja avokoa ny lojika satria nivoaka ho mpandresy avokoa ireo ekipa goavana. Anisan’ izany, ny namontsanan’ny 3FB an-dry zareo FTBA. Tsy voatohitry ny ekipan’Andohatapenaka mihitsy ry zareo avy ao […]
Madagasikara 0 – 2 Centrafrique : vita hatreo ny Can 2023 ho an’ny Barea
Tapitra hatreo ny lalana mankany amin’ny “Can Côte d’Ivoire 2023” ho an’ny Barean’i Madagasikara. Resin’ny les Fauves Centrafrique tamin’ny isa 2 no ho 0 ny ekipa malagasy. Araka izany, tsy hampiova zavatra intsony ny lalao roa ambiny izay hihaonana amin’i Ghana sy i Angola . Nopotehin’ny Les Fauves Centrafrique ny […]





