Nihofahofa tatsy amin’ny Nosy La Réunion indray ny saina malagasy nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’ny Ranomasimbe Indianina (AROI), taranja rugby, sokajy zandriny U18 sy U16. Norombahan’ny Makis lehilahy ny amboara ho an’ny U18; Notanterahina tatsy amin’ny Stade Paul-Julius Benard, ST Paul, La Réunion, ny zoma 24 sy ny sabotsy […]
Fanatajahantena
Fifanintsanana «Can 2023» : najanona i Ibrahim sy i Datsiry
Tsy anisan’ireo nihazo an’ i Douala Cameroun i Ibrahim sy i Datsiry amin’ny fiatrehana ny lalao miverina hiadian-toerana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2023), taranja baolina kitra. Fihaonana, hikatrohana amin’ny Les Fauves-n’i Centrafrique ary tafiditra amin’ny andro fahefatra. Noho ny ratra nahazo azy ireo no anton’izany, araka ny […]
Toeram-pikotranana Anosy : natao hisarihana ny tanora hanao fanatanjahantena
Noho ny fahitana ny firongatry ny tanora mifoka zava-mahadomelina, nasiana fitaovana ara-panantanjahatena eo Anosy, mba hanoherana izany. Nosokafan’ Andriatsitohaina Naina, ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra (CUA) tamin’ny fomba ofisialy izy io, omaly, niaraka tamin’ny masoivohon’i Chine. Tsiahivina fa efa ao anatin’ny tetikasan’ny ben’ny Tanànan’ny CUA ny hampivoatra ny fanantanjahantena sy ny fialamboly […]
Basikety: hilalao ao amin’ny Lamelo Ball i Donovan
Tsy mitsahatra mivoatra ny mpilalao basikety malagasy any ivelany. Voaantso hilalao ao amin’ny Lamelo Ball, ny mpilalaon’ny Ankoay, Rakotonanahary Donovan, amin’izao fanombohan’ny taom-pikatrohana izao. Nambarany fa hilalao amin’ny AAU (Amateur Athletic Union), Team 1 OF 1 izy ary miaraka amin’ny ekipan’ny Lamelo Ball. Ny taona 1888 no efa nisy ny […]
ANS Ampefiloha : « Lasan’ireo tsy mpianatra ny efitrano rehetra », hoy Ranavela Charles
Naneho ny alahelony ireo mpampianatra sy mpianatra taloha teny amin’ny ivontoerana Academie Nationale des Sports Ampefiloha, toa an-dRanavela Charles, omaly. Voalaza fa lasan’ireo tsy mpianatra ny efitrano rehetra. «Mampalahelo ny zava-misy ankehitriny satria lasan’ireo tsy mahita trano eto Antananarivo ny efitrano rehetra ho an’ny mpianatra eto amin’ny ANS Ampefiloha », hoy […]





