Vita ny asabotsy lasa teo ny fifanaovan-tsonia, momba ny fifindran’i Cristiano Ronaldo (CR7), ao amin’ny klioba Al Nassr Arabia Saodita. Mahatratra, hatrany amin’ny 200 000 000 Euros isan-taona ny vola raisiny. Haharitra roa taona ny fifanarahan’ny roa-tonta, izay tsy ho tapitra raha tsy ny taona 2025. 38 taona i Ronaldo. Maro […]
Fanatajahantena
NY VINAN’ IREO ATLETA
Rasoanaivo Razafy Laura (Judoka) -Vinako amin’ity taona 2023 ity, ny hampitombo ny isako hahazoako ny tapakila hiatrehana ny Lalao olympika 2024. Hiezaka ny hitazona ny anaram-boninahitra efa eo ampelatanako aho. Fanamby ny hahazoako ny tompondaka an’i Afrika sokajy Junior. Ankoatra izay, haka medaly amin’ny fiadiana ny tompondaka an’i Afrika sokajy […]
Basikety : nodimandry i Veve Prince
Misaona ny tontolon’ny taranja basikety malagasy. Nodimandry, omaly 1 janoary, i Hajaniaina Veve Prince (Veve Jump). Mpikambana tao amin’ ny federasiona malagasy ny basikety (FMBB), ny tenany. Aretina homamiadana, efa nikiky azy nandritra ny fotoana maro no nitarika ny fahafatesany. Anisany tena nahafantarana azy, ny fikarakarana ny fifaninanana “Tournoi Jump”. […]
Tsipy kanetibe: nisongadina ny amboaran’ny filoha
Anisan’ny taranja nampamiratra ny malagasy, ny tsipy kanetibe. Nanjombona sy nisedra olana anefa izany nandritra iny taona nivalona iny. Teo ny tsy fisian’ny lalao iraisam-pirenena, natrehina sy ny namoizana ny mpanazatra ny ekipam-pirenena. Na izany aza, nisongadina kosa ny fisian’ny fifaninanana niadiana ny amboaran’ny Filoha, izay fahombiazana tanteraka. Nifamahofaho tao […]
Tae-Kwon-Do WT : hatao any Toamasina ny fifaninanana
Hampiantrano ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, eo amin’ny taranja Tae-Kwon-Do WT, ny ligin’ Atsinanana. Hotanterahina ny 5 ka hatramin’ny 7 janoary ho avy izao, ny fifaninanam-pirenena, ho an’ny sokajy rehetra. Hiady izay ho lohany amin’ izany, ireo ligy 9 mandrafitra ny federasiona. Hanana ny lanjany manokana ity fihaonana ity, […]




