Nodimandry i Edson Arantes Do Nascimento na i Pelé, mpanjakan’ny baolina kitra brezilianina sy eran-tany, ny alakamisy lasa teo. Taorian’izany, naneho ny fihetseham-pony mahakasika izany, ireo olo-malaza rehetra, tao anaty tambajotra serasera. Araka izany, nanoratra hafatra ho an’i Pelé ireo kintan’ny baolina kitra ankehitriny, isan’izany i Messi, mpilalao Arzantina, “ […]
Fanatajahantena
Ankoay U19: hitohy ny fampivondronana
Nifarana ny alakamisy 29 desambra lasa teo ny fampivondronana voalohany, ny mpilalaon’ny Ankoay U19, hiatrika ny fiadiana ny amboara eran-tany, taranja basikety, ny 24 jona hatramin’ny 2 jolay 2023 any Aostralia. Hitohy avy hatrany ny volana janoary 2023 izao ny fampivondronana, hatao isaky ny alarobia sy asabotsy ary hitohy ny […]
Ima Faneva : «Nasaiko nifona i Tsilavina Drogba»
Mbola ambetin-dresaky ny rehetra foana hatreto ny fialan’i Tsilavina (Drogba), tao amin’ ny Barea de Madagascar. Manoloana izany, nandroso vahaolana i Ima Faneva ka niangavy ity mpilalao ity hifona amin’ny mpanazatra. Tsy nitazam-potsiny nanoloana ny olana mampifanolana an’i Tsilavina (Drogba) sy ny mpanazatra ny Barea Chan, Andriantsima Faneva Ima, kapitenin’ […]
Olan’ny Barea Chan : “Niteny ratsy ahy ny mpanazatra” hoy i Tsilavina
“Opa reny sy tabataba ary hatezerana, nasesikin’ny mpanazatra, raha toa ka hiala-tsiny sy hanazava ny antony nahatara ahy, ny tenako.” hoy i Fanomezantsoa Tsilavina na i Drogba, mpilalao an’i Fosa Junior Boeny, tao anaty tambajotra serasera, omaly. Tsiahivina fa, niala tao anaty fampivondronan’ny Barea, teny Carion, i Drogba, ny asabotsy […]
Fanomanan-tena amin’ny Chan : hidona amin’i Congo Brazza sy i Niger ny Barea
Ambony ny moralin’ny mpilalaon’ny Barea de Madagascar na nisy fisavoritahana kely aza. Vonona ny ekipa. Hiatrika lalao tsapa atsy Tonizia mialoha ny Chan 2023 ry zalahy . Ho fiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2023”, tanterahina any Alzeria, ny 13 janoary ka hatramin’ny […]




