Ho fampandrosoana ny fanatanjahantena any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, nisy ny fifampiresahana nataon’i Marson Moustapha Abdullah, minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS) sy ireo solombavambahoaka dimy avy any amin’iny Faritra iny, ny talata lasa teo, teny Ambohijatovo. Anisan’izany ry Raby Savatsarah Ain’Harimanga, Andrianambenana Velomihoatra Painchard, voafidy tao Farafangana, Ratolojanahary […]
Fanatajahantena
Judo-Maneran-tany: laharana faha-7 Rasoanaivo Laura
Vita omaly ny anjaran-dRasoanaivo Razafy Laura, tamin’ny fiatrehana ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, sokajy Juniors, taranja judo. Laharana faha-7 no nisy ny solontena malagasy. Omaly no nifaninana teo amin’ny sokajy nisy azy, latsaky ny 70 kg, ny judokas malagasy, Rasoanaivo Razafy Laura. Dingana lehibe no vitany satria teo amin’ny ampahefa-dalana […]
SOMBIM-BAOVAO
Nanainga omaly alina, hihazo an’i Maroc, ny delegasiona malagasin’ny ekipam-pirenena, Barea de Madagascar. Mpilalao miisa dimy no fantatra fa lasa any an-toerana, araka ny vaovao voaray omaly. Anio kosa no hivoaka ny lisitry ny mpilalao izay mandrafitra ity ekipa nasionaly amin’ny baolina kitra ity. Hotontosaina anio, any Dubaï, ny andro […]
Judo Malagasy: nanolotra fitaovana ny masoivoho japonais
Noraisin’ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora (MJS), Marson Moustapha Abdulah, omaly, tetsy Ambohijatovo, ny masoivohon’i Japon miasa eto Madagasikara, Abe Koji. Maro ny resaka nifanaovana tamin’ity fihaonana ity, anisan’ny zava-dehibe tamin’ izany ny fanomezana fitaovana ho an’ny Federasiona malagasin’ny judo. Araka ny fanazavana voaray, natolotry ny japonais maimaimpoana ho […]
Basikety-N1A : fantatra ireo hanao manasa-dalana
Hiditra amin’ny manasa-dalana rahampitso sabotsy ny fiadiana ny tompondaka nasionaly “Elites 8” N1A, taranja basikety. Efa fantatra avokoa ireo ekipa 4 mendrika, sokajy lahy sy vavy, taorian’ny andro faha-7, omaly. Laharana voalohany ao amin’ny sokajy vehivavy, ny MB2ALL Analamanga, rehefa nandresy ny Ascut Atsinanana, tamin’ny isa 63 no ho 59. […]