Namoaka tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny pejy Facekookny, afakomaly, ny Disciples FC fa mpilalaon’izy ireo, ankehitriny, i Fely sy i Radokely. Tsiahivina fa ireto mpilalao roa ireo izay efa nandrafitra ny Barean’i Madagasikara nandritra ny fifanintsanana Chan, ny taona 2023 teo i Radokely, nitondra avo ny ekipa nasionaly malagasy tamin’izany […]
Fanatajahantena
Pentathlon Moderne Malagasy: Lasa fa namela mamy ny Maitre Faly
Misaona ny Federasionina malagasin’ny taranja Pentathlon moderne (FMPM). Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany, afakomaly, Rafilipoharijaona Faliharimanana na ny Maitre Faly, tale teknika nasionalin’ny FMPM. Lasa ny Maitre Faly, saingy namela ny tsara ho an’ny taranja sy ireo zandry. Nilaza Randriamalala Nathalie, filohan’ny Federasionina Pentathlon moderne eto Madagasikara, fa izy no […]
Basikety-FMBB: Hatao ny 11 febroary ny fifidianana
Tapitra amin’ity volana janoary ity ny fe-potoana itantanana ho an’ny eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny basikety ankehitriny, izay tarihan’ny filohany, Ramaroson Jean Michel. Araka izany, nivoaka ny fampiantsoana fivoriambe sy fifidianana. Hatao ny alarobia 11 febroary izao, eto Antananarivo, saingy mbola tsy voafaritra mazava ny toerana hanaovana izany, hatreto. Ho an’ny […]
Augustin Baovola : “Tokony hanana kianja ho azy ny federasionina”
Mitondra ny heviny mahakasika ny fotodrafitrasa amin’ny baolina kitra eto Madagasikara, Andriamiharinosy Augustin Baovola, Malagasy mpilalao matihanina voalohany. Aminy, tsy tokony hiantehitra amin’ny kianja tantanin’ny rafitra hafa ny federasionina fa mila manana ho azy manokana. Raha baolina kitra no resahina, reharehan’i Brésil, i Pele. Voninahitry ny arzantina i Maradona ary […]
Basikety: Efatra herinandro ny fampivondronana
Nanomboka ny alatsinainy 26 janoary lasa teo, haharitra hatramin’ny 20 febroary izao, ny fampivondronana ireo mpilalao eto an-toerana mandrafitra ny Ankoay. Hitiliana izay ho ekipa nasionaly hiatrika ny lalao fifanintsanana ho amin’ ny fiadiana ny amboara maneran-tany 2026, taranja basikety, izy ity. Raha ny fandaharam-potoana, fanomanana ara-batana sy “Technico tactique” […]




