Hotanterahina eny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus By pass, ny 21 sy 22 avrily ho avy izao, ny atrikasa famelabelarana momba ny baolina kitra tsy matihanina. Ao anatin’ny fandaharanasan’ny Fifa ho fampandrosoana ny baolina kitra “amateur” ity atrikasa ity, ka hampivondrona ireo mpisehatra amin’ny baolina kitra eto Madagasikara. Hitarika izany i […]
Fanatajahantena
Basikety N1A “Zone Centre” : Tompon’amboara ny JEA sy ny GNBC
Tontosa ny alahady lasa teo, tany Antsirabe, ny dingana voalohany tamin’ny fifaninanana nasionaly, taranja basikety, N1A, ho an’ny faritra afovoany. Voahosotra ho tompon’amboara ny ekipan’ny JEA Vakinankaratra, teo amin’ny vehivavy ary ny GNBC Analamanga kosa teo amin’ny sokajy lehilahy. Raha hiverenana ny lalao famaranana izay niadiana ny amboaran’ny ligy, nahazo […]
Tsipy kanetibe – Amboaran’i Madagasikara: Lasan’ny UBMT ny lelavola 3 tapitrisa Ar
Norombahin’ny ekipan’ny UBM Tokana, ny amboaran’i Madagasikara teo amin’ny taranja tsipy kanetibe, olon-telo miaraka lehilahy. Lasan’izy ireo ny vola 3 tapitrisa Ariary sy ny amboara ho an’ny ekipa. Nandrombaka izany kosa ny FAM ho an’ny vehivavy. Tanteraka tany amin’ny kianja Vakinankaratra, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, amin’ny taranja tsipy kanetibe […]
ASIEF 2026 : Tsy misy fiovana ny fifaninanana
Manoloana ny tsaho miely mahakasika ny Association sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires (Asief), nanao fanambarana ny birao mandrafitra azy ireo, ny sabotsy lasa teo. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa tsy manaiky izany fanelezana tsaho izany izy ireo ary manamafy fa tsy misy fiovana ny fandaharam-potoana hotanterahina any Manakara, amin’ny volana […]
Rugby Fédéral 2 : Hidona amin’ny famaranana ny RCSA sy ny Rosa
Tontosa omaly, tetsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny manasa-dalana roa hiadiana ny ho tompondaka “Fédéral 2”, taranja rugby. Tafavoaka ho mpandresy ary hiatrika ny famaranana ny RCSA Anosibe sy ny Rosa Club de l’Imerina. Efa tany amin’ny minitra farany vao nahazo ny tapakila hanohizany ny dia ny Rosa, nanoloana ny […]





