Fanatajahantena

Handball malagasy: Hampiantrano lalao iraisam-pirenena roa

Nambaran’ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny Handball, Ratsimandao Andriamanga Herilovasoa, ny zoma teo, tetsy Ampefiloha, fa hampiantrano lalao iraisam-pirenena roa ny Malagasy, amin’ity taona ity. Anisan’izany ny fifaninanana ho an’ny ranomasimbe Indianina, CCOI, izay hotanterahina any Toamasina, ny 8 hatramin’ny 15 febroary ho avy izao. Hatreto, mbola firenena roa ihany no fantatra […]

Pureplay Football League : Mbola manjaka ny Disciples FC

Fandresena hatrany! Na­hita fahombiazana indray ny ekipan’ny Disciples FC Vaki­nankaratra, ny faran’ny herinandro teo. Resin’izy ireo, tamin’ny isa 1 no ho 0, ny Elgeco Plus Analamanga, tao amin’ny Kianjan’ny Vélodrome Antsirabe. Fandresena fahefatra tamin’ny lalao efatra vita izany izao no azon’ny ekipan’i Vakinankaratra, manana isa 12 izy ireo. Iny kosa […]

Lomano: Hamoaka mpilomano sangany ny ligin’Analamanga

Nanokatra ny taom-pikatrohana 2026, ny faran’ny herinandro teo, ny ligin’Analamanga, taranja lomano. Mpilomano 154 no nifaninana teny amin’ny ANS Ampefiloha. Tanjon’ny ligin’Anala­ma­nga, taranja lomano, amin’ny fifaninanana karakarainy ny hamoaka mpilomano sangany afaka hisolo tena ny faritra, araka ny nambaran’ny filohany, Razafindra­mahatra Harijesy. Fifanina­nana anisan’ny lehibe sy naha­fahana namoaka ireo “Top […]

Lutte sy ny MJS : Vonona hiaro ny tombontsoan’ ireo atleta ny minisitra

Ny alakamisy lasa teo, tonga nitsidika ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Rasambany Alain Désiré, tetsy Ambohijatovo, ny Fe­derasionina malagasin’ny taranja tolona(FML), tarihan’ny filohany, Raveloson Ma­mitiana. Nisongadina nandritra ny fihaonana ny filazan’ireo Malagasy atleta ny tena hetahetany sy ny fanamby apetrak’izy ireo amin’ity taranja ity. Nanamafy ny minisitra […]

Ligy Analamanga- Basikety : Vonona hiara-miasa amin’ny mpanao gazety

Manome lanja ny lafiny se­rasera ny ligin’Analamanga, ta­ranja basikety, tarihan-dRatovo­janahary Haingo Mampionona. Nisy, araka izany, ny dinika sy fiarahana nitady izay hahafahana mampandroso ny ligy, amin’ny alalan’ny haino vaky jery. Nifanankalo hevitra ny andaniny sy ankilany ary nisy ny hevitra maro nivoitra. Ny hampiakarana ny fahafantaran’ny olona ny hetsika karakarain’ny […]