Tao anatin’ny roa volana niasan’ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Vololoniaina Lucie, efa nazava ny soritr’asa ary efa natomboka. Nisongadina ny fanarenana ny tanàna Miami ao Toamasina ho lasa toerana hahafahana misarika ireo mpizahantany izay ahitana ampahany amin’ny hakanton’i Madagasikara amin’ny lafiny rehetra. Nohatsaraina ny valan-javaboahary Tsimbazaza izay […]
Fiaraha-monina
Zon’ny vehivavy : Fikambanana efatra hitondra ny feo ho iray
Vehivavy mpitolona efatra, nitambatra hitondra feo iray ho an’ny zon’ny vehivavy no nampahafantatra ny fiforonan’ny hetsika lehibe iray iarahan’izy ireo mandritra ny herintaona. Hitondra vokatra mivaingana ho fiarovana ny vehivavy sy hampiharana ny lalàna hisitrahan’ireo niharan’ny herisetra izy ireo. Nitambatra ny vehivavy efatra samy efa manana ny fikambanana sy mpamorona […]
INDRAY MIJERY
Nisy ny fiaraha-miasa amin’ny fitaleavam-paritry ny fahasalamam-bahoaka sy ny fitaterana ary ny famantarana ny toetr’andro ao amin’ny faritra Bongolava. Notsindriana manokana ny andraikitra tsy maintsy ataon’ireo mpamily fiarakodia hisorohana ny valanaretina Mpox. Tsy maintsy manao arovava orona ny mpandeha rehetra mandritra ny dia. Soratana mazava ao anaty “Manifold” avokoa ny […]
Herisetra an-tsekoly : Loza mitatao ho an’ny fahasalaman’ny saina
Mbola mitana ny sain’ny maro ny herisetra an-tsekoly izay miteraka famoizam-po mihitsy ho an’ireo ankizy sasany. Loza mitatao ho an’ny fahasalamana ara-tsaina ny herisetra atao amin’ny ankizy any an-tsekoly raha ny fanehoan-kevitry ny dokotera iray. Mampitombo avo telo heny ny fahaketrahana ara-tsaina ny fiaretana izany herisetra izany. Miteraka fanahiana lava […]
Hetsika Fosika: Miisa 272 ireo fitarainana voaray
Iray volana katroka izay no nanaovan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny hetsika “fosika”, izay hitsirihana ireo diplaoma hosoka sy tsy fahatomombanana amin’ireo sekoly ambony. Nahatratra 272 ireo fitarainana voaray tao anatin’izay iray volana izany. 98 amin’izany no efa nandraisana fepetra rehefa voamarina sy voaporofo, ny ambiny kosa […]





