Fiaraha-monina

INDRAY MIJERY

Nisitraka fotodrafitrasa vaovao momba ny rano fisotro madio ny oniversiten’Antananarivo, taorian’ ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo forage telo eny Ankatso I sy Ankatso II, ny faran’ny herinandro lasa teo. Tanjona ny hanamora ny fiainan’ny mpianatra sy hanamafy ny fahasalamana eo anivon’ny toeram-ponenany. Eny Ankatso II no napetraka ireo forage […]

Maroantsetra sy Sainte Marie : Naraha-maso ireo mpandeha sambo

Nidina ifotony teny amin’ ny Port Secondaire Ankia­kabe, ny faran’ny herinandro teo, tamin’ny 5 ora maraina, ny Séction Opération ao ana­tin’ny COUSP Maroantsetra. Ni­tarika ny hetsika ny lefitry ny lehiben’ny distrikan’i Maro­an­tsetra, Ranaivoarison Pierre­ Olsen sy ny médecin inspecteur Dr Lalahy Andriantsiory François. Natao fanaraha-maso ara-pahasalamana ireo mpandeha sy ekipazy […]

«E-zahasa» : Hamaly ny hetahetan’ny tanora

Notanterahina ny herinandro teo, tetsy amin’ny minisite­ran’ny Asa sy ny fampanana asa ary ny asam-panjakana (METFop), 67ha, ny sonia fiaraha-miasa amin’ny hametra­hana vovonanana niomerika nasionaly ho amin’ny fampanana asa «E-zahasa». Nambaran’ny minisitra, Florent Soatiana Bety Leonne, tamin’izany fa rindrambaiko (logiciel) natao hanamora ny fampihaonana ny tolotra sy ny tinady eo […]

CHUgob Befelatanana : Nahazo fitaovana ara-pahasalamana

Notolorana fitaovana ara-pahasalamana, hahafahana mandray an-tanana ny fitsaboana ny reny sy zaza ny eo ani­von’ny Centre Hospitalier Universitaire de Gynecologie-Obstetrique Befelatananana (Hopitaly Maternité Befelatanana), ny zoma lasa teo. Mba hanampiana ireo zaza marefo tsy maintsy mila fitaovana. Nahitana “ventilateur d’anesthésie” iray, izay ma­nampy betsaka amin’ ny fameloman’aina ny zaza, mandritra […]

Aretina Mpox : Am-perinasa ny COUSP ao Vakinankaratra

Nahitana tranga nendran-drajako Mpox iray ao Vaki­nan­karatra, olona roa hafa koa ahina ho tratran’izany. Mana­mafy ny ezaka rehetra amin’ ny tsy hiparitahan’ity valana­retina ity ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka miaraka amin’ireo tomponandraikim-panjakana ao an-toerana sy ny fanjakana foibe. Nisy ny fivoriana natao ny fiandohan’ ny herinandro teo nametra­hana rafitra ho fisorohana ny […]