Fiaraha-monina

INDRAY MIJERY

Mampiakatra hery fiarovana hisorohana ny aretina samihafa ny fihinanana voankazo karazany maromaro isan’andro. Tena lafo anefa ny vidin’ny voankazo amin’izao fotoana izao eny an-tsena. 5 000 Ar ny paiso sy ny poara iray kilao, 4 000 Ar ny letisia, 5 000 Ar ny pastèque iray. Toy izany koa ny melon iray, araka­raka ny […]

Toetr’andro: Hapetraka ny fitaovam-pandrefesana

Tanterahina ny 6 ka hatramin’ny 11 janoary izao ny fitsirihana ifotony ny toerana hametrahana ireo fitaovam-pandrefesana ny toetry ny ranomasina sy ny toetry ny habaka. Voa­kasik’izany ny seranan-tsambon’i Mahajanga, Toliara ary Mananjary. Sambany izao vao hanana izany fahafahana mahazo ny antontan-kevitra mahakasika ny toetry ny ranomasina izany ny foibe famantarana […]

Eny amin’ny hopitaly : Tsy hikarakara ireo mararin’ny Mpox ny interne

Tsy manana fitaovana fiarovan-tena amin’ny valanaretina izahay. Mianto-tena raha ifindran’ilay aretina…Noho izany tsy handray ireo mararin’ny Mpox sy valanaretina rehetra izahay, hoy ny interne. Nanao fanambarana ny Union des internes de Madagascar miaraka amin’ireo interne manerana ny Nosy fa tsy handray an-tanana ny tranga voamarina sy ny tranga ahiahiana amin’ […]

fandrindram-piterahana : Tsy voatery hifampierana

Araka ny voalazan’ny lalàna laharana faha-2017-043, toko faha-7 andininy faha-30 dia zo fototra ny zo eo amin’ny lafiny fahasalamana ara-pananahana. Voalaza ao anatin’izany fa afaka manapa-kevitra malalaka momba ny fotoana hiterahany ary misafidy ny isan’ny zaza haterany sy ny elanelam-piterahana tiany ny olona rehetra. Tsy mila fahazoan-dalana avy amin’ny vady […]

INDRAY MIJERY

13 ny olona namoy ny ainy vokatry ny orana nirotsaka tsy niato. Faritra efatra (kaominina 14 amin’ny distrika 13) no nitondra takaitra tamin’izany. Iray no maty tao Morondava sy iray hafa tany Betioky Atsimo no nahatonga ny antontanisa niakatra ho 13. Olona enina no naratra. 3 847 ny olona traboina (tokantrano […]