Natao tamin’ity herinandro ity ny Andro natokana ho an’ny matihanina eo amin’ny sehatry ny fahasalamana, nokarakarain’ny Imra. Nahasarika ireo dokotera sy mpiasan’ny fahasalamana ny hetsika. Nisy ny famelabelaran-kevitra nataon’ny profesora Ramanitrahasimbola David momba ny “Urologie”, teo koa ny mahakasika ny diabeta. Nitsidika an’i Matsiatra Ambony ny solontenan’ ny OMS eto […]
Fiaraha-monina
Sehatry ny fahasalamana : hivondrona ireo holafitra isan-tsokajiny
Tanterahina any Mahajanga, ny 14 ka hatramin’ny 16 mey izao, ny Andron’ny Holafitry ny fahasalamana. Nanazava ny filohan’ny Holafitry ny farmasianina, Rakotomalala Tantely, fa fampahafantarana ny antom-pisian’ny holafitra no atao mandritra ny 3 andro. Misy amin’ireo mpiantsehitra amin’ny fahasalamana no tsy mahafantatra akory ny antom-pisian’ny holafitra. Ankoatra izay, fanehoana ny […]
Rakotomavo Zo: “Tsy hita maso kanefa mankarary ny fahalotoan’ny rivotra”
Anisan’ny lasibatry ny fahalotoan’ny rivotra ny sokajin’olona marefo, toy ny ankizy sy ny zokiolona ary ireo manana aretina mitaiza. “Tsy hita maso sy tsy azo tsapain-tanana ny rivotra maloto kanefa mankarary”, hoy ny mpikaroka momba ny toetr’andro, Rakotomavo Zo. Niresaka manokana momba ny fiantraikan’ny fahalotoan’ny rivotra amin’ny fahasalamana ny mpikaroka […]
INDRAY MIJERY
Hisy fandidiana maimaimpoana iarahana amin’ ny ONG Enfants du monde ao amin’ny hopitalibe Antsiranana, ny 21 hatramin’ny 24 mey ho avy izao. Aretina mahazo ny tarehy sy ny tenda no hodidina amin’izany. Mila manao fizaham-pahasalamana mialoha ny 13 hatramin’ny 17 mey, ao amin’ny CHUPKA (Bureau des consultations externes), isaky ny […]
Croix Rouge: mifototra amin’ny fiahiana ny maha olona
Nomarihina ny alarobia teo, tetsy amin’ny Parvis Analakely, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Croix Rouge sy ny Croissant Rouge. 61 taona no nijoroany teto Madagasikara (1963-2021). “Koloy hiaina ny maha olona”, io ny lohahevitra novoizina nandritra ny fankalazana. Nanasongadinana indrindra ny sehatry ny maha olona sy ny firaisankina ny hetsika […]