Tontosa ny herinandro lasa teo ny fizarana ireo sakafo avy amin’ny fitondram-panjakana. Nanatanteraka izany tany amin’ ny faritra Diana, ho an’ny distrikan’ Ambilobe, ny ekipan’ ny BNGRC. Nanomboka ny 15 avrily lasa teo ny fitsinjarana sakafo. Fanampiana vonjy taitra ho an’ ireo fianakaviana traboina sy tena voa mafy vokatry ny […]
Fiaraha-monina
Faritra andro ratsy : hivadika ho rivodoza Hidaya, matanjaka ny fepetra ivoarany
Mandindona ao avaratry ny Nosy ny rivodoza. Mitondra orambe any amin’ny morontsirak’Ambatosoa sy Atsinanana ary Analanjirofo izy io. Miha mahazo hery any an-dranomasina i Hidaya. “Heverina ho nivadika ho rivodoza alina ilay faritra andro ratsy ao Avaratry ny Nosy noho ny fepetra tomombana hivoarany”, hoy ny mpamantatra ny toetry ny […]
INDRAY MIJERY
Nifarana ny zoma teo ny fara fisoratana anarana amin’ny fanadinam-panjakana bakalorea. Ny 11 mey kosa no hanomboka ny adina ara-panatanjahantena ho an’ny eto amin’ny faritra Analamanga. Ny 22 jolay ka hatramin’ny 26 jolay kosa ny fanadinana ho an’ny sokajy ankapobeny ary mitohy hatramin’ny 1 aogositra izany, ho an’ny sokajy teknika. […]
Toetry ny andro: Ora-mikija any avaratry ny Nosy
Mikisaka mianatsimo ilay tangoron-drahona mitondra orambe sy rivotra any avaratry ny Nosy, hoy ny Meteo Madagasikara. Raha ny antontan-kevitra voaray dia mbola tomombana hatrany, amin’ny ankapobeny, ny tontolo hivoarany na dia malefaka aza ny tsiokan’ny talio. Misongadina kosa ny hafanan’ny ranomasina izay manome vahana izany fivoarany izany (28 – 30°C). […]
ESPA: novatsiana fitaovana ny Atelier LuBan
Nahazo fitaovana fanatsarana ny fampianarana ao aminy indray ny sekoly ambony politeknika (ESPA). Tafiditra ao anatin’ ny andiany faharoa amin’ny tetikasa Atelier LuBan, mikendry ny hanamafisana ny lalam-piofanana injeniera mekanika sy teknolojia momba ny informatika, ny famatsiana ireo fitaovana ireo. Hisy ihany koa ny fahatongavan’ireo Sinoa manampahaizana, teknisianina, hizara fiofanana […]