Fiaraha-monina

ankizy manana fahasembanana : mpitondra teny i Gilardy Totozandry

Mpitondra tenin’ireo ankizy sy tanora miaina miaraka amin’ny fahasamihafana (manana fahasembanana na toe-tena varira), nanomboka omaly, i Gilardy Totozandry. Tohanan’ny Unicef izy amin’izany andraikitra izany. Manana toe-tena varira i Gilardy ary nahatsapa fa niteraka fanilikilihan’ny fiarahamonina izany. Nanomboka ny fahenin-taonany izy no nijoro hiady amin’ny fanilikilihana ny olona samihafa niaraka […]

Loto ateraky ny plastika: nitady vahaolana ny manam-pahaizana

Fampihaonana ireo manam-pahaizana mba hifanakalo hevitra sy hiara-hitady vahaolana amin’ny ady amin’ny fandotoana ateraky ny plastika no nataon’ny masoivoho amerikanina, ho fanamarihana ny Andron’ny tany, ny fiandohan’ny herinandro teo. Noresahina koa ny momba ny fitantanana ny akora simika sy ny fako, ny rariny sy ny hitsiny momba ny tontolo iainana […]

Dr Célestin Traoré : mitondra 48 dolara ny fanokanana vola 1 dolara ho an’ny vaksiny 

Nitondra fivoarana ho an’ny fahasalamam-bahoaka ny fanaovana vaksiny hisorohana ny fahafatesana. Nidina ny tahan’ny fanaovam-baksiny taorian’ny fiparitahan’ny aretina Covid, ka mila ezaka ny fanentanana ny olona sy ny tsy fahatapahan’ny famatsiana eny amin’ny tobim-pahasalamana. 50 taona amin’ity taona ity ny fandaharanasa fanaovam-baksiny maneran-tany, izay nitondra fivoarana tsara ho an’ny fahasalamam-bahoaka. […]

INDRAY MIJERY

Tao Ambovombe no nanatanterahina ny fihaonambem-paritra ho an’ny fahasalamana, ny faran’ ny herinandro teo. Tanjona ny hahafahana mampihena ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza amin’ny fijerena manokana ny fahasalaman’izy ireo sy ny zatovo, ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ary ny fahasalamana ara-pananahana. 10 taona mahery no nijoroan’ny fikambanana Autisme Madagascar. […]

Karama farany ambany : arahi-maso ny fampiharana ny didy

Raikitra ny hetsika “Opé­ration coup de point”, tanterahin’ny minisiteran’ny Asa, ny fampananana asa ary ny asam-panjakana (MTEFP). Hotanterahina amin’ny alalan’ ny fidinana ifotony ataon’ny eo anivon’ny minisitera any amin’ ny faritra 23 izany ka hanomboka ny faran’ny avrily hatramin’ny mey izao. Tafiditra amin’ny fampiharana ny didy momba ny karama farany […]