Tontosa ny fametrahana ny tariby amin’ny fitaterana teleferika mampitohy an’Anosy sy i Soarano. Tonga nitsidika ny asa tetsy amin’ny Gara Anosy ny sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, omaly. Enina herinandro ny fe-potoana nametrahana ny tariby mitondra ireo fitaovam-pitaterana ireo. “Vita tao anatin’ny roa herinandro izany noho ny […]
Fiaraha-monina
Fahavoazam-pirenena noho ny rivodoza: « Vonona hanohana ny Frantsay », hoy ny masoivohony
Feno ny fepetra hanambarana ny fahavoazam-pirenena taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gamane, araka ny tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra natao ny alarobia lasa teo. Namela takaitra maro ho an’ny faritra avaratra atsinanana 89 645 ny isan’ny traboina ary maro ny fotodrafitrasa simba, toy ny lalana, ny tetezana, ny biraom-panjakana sy ny […]
INDRAY MIJERY
Nizara fanampiana ho an’ireo tokantrano dibo-drano tao Taolagnaro vokatr’ilay rotsakorana ny BNGRC. Fianakaviana 340 no nahazo vary sy menaka ary voamaina. Nitarika ny fizarana ny prefektiora sy ny BNGRC ary ny komity lharano miaraka amin’ny CRM. Fitokanana ny Centre éducatif spécialisé Manjaka, ivontoerana manokana mandray ireo zaza autiste ao Mahajanga, […]
Cisco Mahajanga I: niofana momba ny voina an-tsekoly ny tale
Vita ny fampiofanana ireo mpampianatra sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra mahakasika ny fanamafisana ny traikefa amin’ny fisorohana ny voina an-tsekoily tao amin’ny Cisco Mahajanga I. Tanjona ny hampihena ny fahavoazana ary tsy hisian’ny fitavozavozana raha misy ny tranga tampoka hahafahana mamonjy ny ain’ny mpianatra tra-doza. Nodinihina koa ny momba ny […]
Foko Mikea: nentanina amin’ny fandrindram-piterahana
Tafiditra ao anatin’ny ezaka 100 andro tratrarin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny fanaparitahana ny fandrindram-piterahana hatrany amin’ny toerana lavitra indrindra. Niaraka tamin’ny tetikasa “Impact” izay vatsian’ny USAID vola ny hetsika natao tany amin’ny foko Mikea, distrikan’i Toliara II, ny herinandro teo. Ny ekipan’ny fitsaboana mitety vohitra na “clinique mobile” sy ny minisiteran’ny […]