Fiaraha-monina

Fitrandrahana heladrano : mampiasa zaza maherin’ny 10.000

Mampidi-doza ny fitrandrahana heladrano na mica tsy ara-dalàna eto Madagasikara. Ankizy maherin’ny 10.000 no mitrandraka, ao amin’ny faritra Anosy. Misitrika any anaty lavaka ny ankizilahikely. Ma­hafaty ny fahasemporana aterak’izany noho ny tsy fahampian’ny rivotra. Mitatitra ny vokatra ety ambony ny tovovavikely. Matetika iharan’ny fanararaotana ara-nofo ataon’ireo mpanangona ny vokatra. Betsaka […]

Romy Andrianarisoa : « Tokony ho fitaratra ny vehivavy mpanao politika »

Manentana ny vehivavy hanao politika ny Talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika, Romy Andrianarisoa. « Miandry antsika i Madagasikara, tokony ho modely isika », hoy izy. Manolona ny odidina politika misy eto Madagasikara dia manao antso avo amin’ny vehivavy rehetra manana ny fahaiza-manao sy ny traikefa ny Talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny […]

Boriborintany VI: hanakaiky vahoaka ny tolotra ara-pahasalamana

Mitohy ny hetsika fahasalamana manakaiky vahoaka, tanterahin’ny ekipan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Misitraka izany ny ao amin’ny boriborintany fahenina, nanomboka ny talata ka hatramin’ny zoma. Mikendry ny hisitrahan’ ny vahoaka eny ifotony ny karazana tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana ny hetsika. Hisy ny fizaham-pahasalamana amin’ny an­ka­pobeny ataon’ny dokotera. Misy ny fitiliana kara­zan’aretina maro […]