Fiaraha-monina

Sekolim-panjakana: tsy maintsy manaja fitsipika ny mpianatra

Namoaka tenimita ho fampahatsiahivana ny fitsipika aman-dalàna mifehy ny toeram-pianarana ny minisiteran’ny Fanabe­azam-pirenena. Nanasonia izany ny sekretera jenera­lin’ny minisitera, Atoa Rabenandrasana Théophil. «Tsy maintsy antitranterin’ny talen-tsekoly amin’ny mpianatra ny fanajana ny fitsipika mifehy ny sekoly mandritra ny fananganan-tsaina amin’ny alatsinainy izao. Ny tsy fanajana ireo fepetra dia mitarika fanasaziana izay […]

Manao tampody fohy i Freddy : nahazo filazana fanairana ny faritra Menabe sy Atsimo Andrefana

Na mbola maivana aza ny herin’ilay andro ratsy avy amin’ny sisan-drahon’i Freddy, ahina hivadika ho rivodoza indray izy. Efa nahazo filazana fanairana sahady ny faritra Menabe sy Atsimo Andrefana. Niverina ao amin’ny lakandranon’i Mozambika, omaly maraina ny sisan’ilay rivodoza Freddy rehefa nijanona andro vitsivitsy tany Mo­zam­bika. Malefaka ny heriny. «Lavitra […]

Oniversitem-panjakana : hivoaka ny lisitry ny hahazo vatsim-pianarana

Nampahafantatra ny te­tiandro ivoahan’ny lisitr’ireo mpianatra voafantina hahazo ny vatsim-pianarana amin’ ireo oniversite manerana ny Nosy ny sampandraharaha misahana izany eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana sian­tifika, omaly. Mila mijery ny lisitra eny amin’ny peta-drindrina, araka izany, ireo mpianatra nanao fangatahana ka voafantina nandritra ny sivana ary hisitraka […]

Fanararaotam-pahefana : mampiaka-peo ireo mpivarotra amoron-dalana

Mitaraina noho ny fisian’ny mpiasa manao kolikoly ao amin’ny kaominina amin’ny mpivarotra amoron-dalana. Mpi­asa vitsivitsy ao amin’ny Lapan’ny tanàna no manao izany fanararaom-pahefana. Betsaka ireo mpivarotra amoron-dalana izay mahazo mivarotra eny amin’ny sisin-dalana fa ny an’iretsy mpivarotra eo Ambatomena ambanin’ny Maosoivoho Frantsay no niharan’ity fanesorana tsy ara-dariny ity. Nandoa vola […]

Forum des métiers : tsara ny misafidy ny sampam-pianarana harahina

Ahitana hetsika «Forum des métiers » anio maraina, eny amin’ny Lycée Fana­votana Antsalovana 67 ha. Kara­karain’ny Promotion Daholo, andiany fahavalo eo anivon’ny sekoly. Natokana ho an’ireo mpianatra hanala ny fanadinam-panjakana bakalorea izany. Tanjona ny hampahafantatra sy hampisehoana ireo karazana sampam-pianarana tsara sy mety ho an’ireo mpianatra rehefa eny amin’ny ambaratonga ambony. […]