Manatanteraka ny asa fanamboarana ireo fantsona mamatsy rano mandritra ny fisiana tranga fahamaizana eny Analakely sy Mahamasina ny sampana mpamonjy voina, ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Ireo fantsona ireo no ampiasain’ny ekipa milatsaka an-tsehatra amin’ny famonoana afo eny amin’ireo toerana ireo. Tsy azon’iza na iza ampiasaina izany fantsona izany afa-tsy […]
Fiaraha-monina
Noho ny areti-maso : voarara ny fivorivoriana
Namoaka naoty ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, amin’ny alalan’ny sekretera jeneraly, fa voarara ny fanaovana hetsika famoriam-bahoaka isorohana ny fihanaky ny valanaretina, indrindra ny areti-maso izay mivaivay amin’izao fotoana. Mila hajaina koa ny sakana ara-pahasalamana rehetra hanapahana ny rohy fiparitahany. Tsy azo hatao, araka izany, ny fivorivoriana amin’ny endriny rehetra ho fanajana […]
FITSIPIKY NY FAHADIOVANA : tsy ny fako rehetra no azo ariana anaty dabam-pako
Hentitra ny CUA amin’ny fampanajana ny lalàna efa napetraky ny CMH momba ireo karazam-pako tsy tokony hariana eny amin’ny dabam-pako eny anivon’ny fokontany. Iharan’ny sazy ireo minia manao izany. Namerina nampahatsiahy ny kaominina Antananarivo Renivohitra mahakasika ireo karazam-pako tsy tokony hariana eny amin’ny dabam-pako iombonana eny anivon’ny fokontany. Efa voarakitra […]
Toy ny isan-taona : fankalazana ny Andron’ny manamboninahitra
Toy ny fanao isan-taona, rahampitso ny fankalazana ny Andron’ny manamboninahitra. Samy hiara-hankalaza izany avokoa ny manerana ny faritra rehetra. Nanao fampilazana ho an’ireo mponina manodidina ny toby miaramila rehetra voakasik’izany ny tomponandraikitra eo anivon’ny fibaikoana ny mpitandro filaminana mba tsy ho taitaitra. Anisan’izany ny eto an-drenivohitra, toy ny eny amin’ny […]
Atsimo Atsinanana sy Atsimo Andrefana : traboina 6 764 novatsin’ny Amerikanina sakafo
Ho fanavotana ireo traboina vokatry ny fandalovan’ilay rivodoza Alvaro teo, nanome tolo-tanana i Etazonia, amin’ ny alalan’ny USAID sy ny PAM, hiaraha-miasa amin’ny BNGRC. Nanampy tamin’ny fanombanana sy fizarana fanampiana izy ireo. Nomena vary, menaka ary sakafo be otrikaina milanja 4,7 taonina avy amin’ny USAID, ireo olona nafindra toerana miisa […]





