Fiaraha-monina

Jeneraly Ramakavelo Désiré: hamafisina ny fifampiresahana amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka

Olana eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka ankehitriny ny tsy fisian’ny fifampiresahana sy ny tsy fifampitokisana. Anisan’ny manova izany ny firoboroboan’ny teknolojia.  “Tsy ny ankizy no maditra fa ny ray aman-dreny no tsy mahay manabe”, hoy ny jeneraly Ramakavelo Désiré, raha nanontaniana. Mitaraina mahakasika izany ny ankamaroan’ny tanora ankehitriny […]

Oniversiten’Antananarivo : nahazo tohana avy amin’ny vondrona Filatex

Notanterahina ny 15 sy 16 desambra 2023, teny amin’ny tranombokin’ny Oniversiten’Anta­na­na­ri­vo Ankatso, ny hetsika fankalazana ny Andron’ny angovo azo havaozina. Nandray anjara tamin’izany ny vondrona Filatex niaraka tamin’ny fikambanan’ny mpianatra manao fikarohana manokana momba ny angovo azo havaozina eo anivon’ny Oniversiten’Anta­na­narivo. Nisy ny fifampidinihana tamin’ireo tomponandraikitra misehatra momba ny angovo. […]

Minisiteran’ny Mponina: 600 ireo mpiasa notolorana fanomezana

Nankasitraka ireo mpiara-miasa aminy nahavita ny asa nifarimbonana nandritra ny taona ny minisitra Soafilira Princia, omaly. Nanomana fanomezana ho an’ireo mpiara-miasa 600 ao amin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana sosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy ny tenany. Vary 25 kg, menaka, gisa ary karazan-tsakafo iatrehana ny fetin’ny Krismasy sy ny […]

Tamberina taona 2023 – Fampianarana : naverina ny taranja Tantara sy Jeografia ho an’ny bakalorea

Nisedra olana lehibe ny fanadinam-panjakana bakalorea tamin’ity taona ity satria nivoaka mialoha ny laza adina ho an’ny taranja Tantara sy Jeografia. Nahitana tsy fahatomombanana koa ny sampana teknika. Nanamarika ity taona 2023 ity teo amin’ny fampianarana ny savorovoro nandritra ny zotram-panadinana bakalorea noho ny laza adina nivoaka mialohan’ny fotoana ho […]

Fiahiana sosialy 2024-2030 : hiompana amin’ny maha olona ny paikady nasionaly

Tapitra amin’ity taona ity ny dingana voalohany tamin’ny paikady nasionalin’ny fiahiana sosialy notanterahin’ny minisiteran’ny Mponina izay naharitra 5 taona. Nanao tombana ny pai­­kady niaraka tamin’ireo minisitera mpiantsehatra sy ny mpiara-miombon’antoka ny ekipa tamin’ity herinandro ity, tetsy Antaninarenina. Nitarika izany ny tale jeneralin’ny fiahiana ara-tsosialy, Rivoma­na­na Ghisbert. Hisy atrikasa hampahafantarana ny […]