Fiaraha-monina

Fitantanana loza : nohazavaina ny lalàna amin’ny fampiasana  drones 

Nanazava ny lalàna sy ny rijan-teny rehetra tokony ho fantatra mahakasika ny fampiasana drones, ao anatin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza ny BNGRC sy ny PAM, nandritra ny herinandro, tany Taolagnaro. Tao koa ny tomponandraikitra avy eo amin’ny fitaleavana jeneralin’ny fifamoivoizana ana habakabaka sivily eto Madagasikara. Izy ireo no […]

Fikambanan’ny mpianatr’Ankatso: niarahaba ny filoham-pirenena, miantso fifanomezan-tanana

Maro ny zava-bita eny anivon’ny Anjerimanontolo. Nilaza ireo mpianatra fa tsy mahasahana ny mpianatra rehetra izany, koa miantso ny filohan’ny Repoblika izy ireo. Niarahaba ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, tafapetraka soa aman-tsara indray eo amin’ny fitondrana ireo fikambanan’ny mpianatr’Ankatso, omaly, nandritra ny fanambarana nataon’izy ireo. Miantso fifanomezan-tanana mba ho bebe kokoa […]

CUA, BNI, Axian : maro ny fotodrafitrasa nohavaozina

Fararanom-pitokanana omaly, ho an’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Vita ary notokanana ny efitrano fitsaboana nasiam-panavaozana ao amin’ny to­bin’ny sampana mpamonjy voina Tsaralalana. Natolotra ihany koa ireo fitaovana vaovao izay ilaina amin’ny sehatry ny fahasalamana hampandehanana ny tobim-pahasalamana. Notokanana, omaly, koa ny tobim-pahasalamana ao amin’ ny tobin’ny vondrona […]

Kaominina Antananarivo : eny Ampefiloha Ambodirano ny hetsika ara-pahasalamana

Mitohy hatrany ny hetsika fahasalamana manakaiky vahoaka karakarain’ny kaomi­nina Antananarivo Renivohitra. Anjaran’ny mponina eny Ampefiloha indray no misitraka izany. Nitsidika ny hetsika ny ben’ny Tanànan’Anta­nanarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina, omaly. Nanomboka ny talata ary hifarana anio ny hetsika ara-pahasalamana. Niom­pana tamin’ny fanentanana amin’ny fiarovan-tena sy ny tsy fanilikilihana ny olona voan’ny […]