Nitokona ny mpianatry ny oniversite Ankatso omaly, taorian’ny fitokonan’ny Seces. Nanakan-dalana, sy nandoro kodiarana ary nitora-bato izy ireo. Nalana ny «franchise universitaire». Mpianatra valo voasambotra, zandary iray hita naratra, nandritra ny fitokonana nataon’ireo mpianatra teny Ankatso, omaly tamin’ny sivy maraina teo ho eo. Raikitra ny fifanjevoana teo amin’ny mpianatra sy […]
Fiaraha-monina
Kaominina Antananarivo Renivohitra : nodiovina ny tanàna ao anatin’ny boriborintany V
Ho fanohizana ny asa andavanandro. Nanatanteraka fanadiovana faobe ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ao amin’ny boriborintany fahadimy, omaly. Nodiovina ny sisin-dalana sy ny manodidina ny tobim-pako, nalana ireo fasika, ny lobolobo,…. Toy ny eny Tsarasaotra hatreny Ankorondrano, rond-point Sodiama mihazo ny Marais Masay ary Nanisana hatrany Ambohimangakely, rond-point Nanisana hatreny Mausolé. […]
Asa tena : olona manana fahasembanana 25 nahazo mari-pahaizana
Omena sehatra sy ampiana hanana ny asa mahavelona azy ireo olona manana fahasembanana. Anisan’ny nisitraka izany ireo nandalo fiofanana eny amin’ny ivon-toerana Ampandrianomby omaly. Nahazo mari-pahaizana ireo olona manana fahasembanana 25 eny amin’ny ivontoerana natokana ho azy ireo etsy Ampandrianomby, omaly. Nifototra tamin’ny asa tena ny fiofanana. Tamin’ity, fiompiana tantely […]
Tily eto Madagasikara : nampihaona skoto 1 500 ny lalao nasionaly Tendro
1 500 ny tily eto Madagasikara mandray anjara amin’ ny lalao nasionaly Tendro. Maharitra hadimiana ny lalao. Tanjona amin’izany ny hanosika hatrany ny kolontsaina skoto sy hanaovana tombana ny vokatry ny fanabeazana skoto tao anatin’ny telo taona farany, hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitra. Efa nifarana ny talata lasa teo ny hetsika, […]
Cntemad-Fizaran’asa : hifarana ny 22 septambra ny fandraisana ny tatitra
Nanambara ny tomponandraikitry ny ivontoerana misahana ny fampianarana ampitain-davitra (Cntemad) eto Madagasikara fa hifarana ny 22 septambra ho avy izao ny fandraisana ny tatitra nataon’ny mpianatra L3 nandritra ny fizaran’asa teny anivon’ny orinasa nosafidiny. Fepetra takina hisitrahana ny mari-pahaizana “Licence” ny famolavolana tatitra. Ho an’ny lalam-piofanana Toekarena sy Lalàna, tsy […]




