Efa nivoaka avokoa ny valim-panadinana bakalorea 2023 ho an’ny faritany enina ary samy mieritreritra ny zavatra tiany hirosoana eny amin’ny fampianarana ambony ireo tanora nahazo mari-pahaizana. Ho an’ny oniversite miankina amin’ny fanjakana, tsy mbola nifarana ny taom-pianarana 2022-2023 noho ny fitokonan’ny mpampianatra mpikaroka. Oniversite telo : eto Antananarivo, Fianarantsoa ary Antsiranana […]
Fiaraha-monina
Toamasina : 62, 35% ny taham-pahafahana bakalorea
Niakatra ho 62,35% ny taham-pahafahana fanadinam-panjakana bakalorea, ho an’ny faritany Toamasina, ahitana faritra telo : Alaotra Mangoro, Atsinanana ary Analanjirofo. 62,30 % ny taham-pahafana ny taon-dasa. Nihaona ny alatsinainy lasa teo, tetsy amin’ny CEG Ratsimilaho ireo mpampianatra sy filohan’ny oniversite nandinika ny naoty farany ambany. Nambaran’ny filohan’ny oniversite, dokotera Razanakolona […]
« Salon de l’étudiant »: Vinavinaina ho 10 000 ny hitsidika
Mikarakara «Salon de l’étudiant» ny Centre d’information et de documentation scientifiques et techniques (CIDST). Hotanterahina etsy amin’ny lycée JJ Rabearivelo Analakely izany ny 24 sy 25 ary 26 aogositra ho avy izao. Miavaka ny hetsika amin’ny fandraisan’ireo ivontoeram-panofanana ho mpiasam-panjakana sy ireo sekoly ambony eto Antananarivo sy avy any amin’ny […]
Fahazoana vatsim-pianarana : 27 mianadahy ireo mpianatra ho any Sina
Hanainga ato ho ato ireo Malagasy mpianatra 27 mianadahy handranto fianarana any Chine. Nisafidy lalam-piofanana maro izy ireo. Hiverina an-tanindrazana rehefa vita ny fianarana. Nampahafantarina omaly, teny Ivato, ireo tanora 27 mianadahy hanohy fianarana any amin’ny Repoblika entim-bahoakan’i Chine. Hanainga ato ho ato izy ireo ary hiparitaka amin’ireo oniversite 23 […]
Fampananan’asa ny tanora : napetraka ny fandaharanasa lasitra
Natao, omaly, ny atrikasa momba ny fandaharanasa lasitra ho fampananan’asa sy fandraharahana ho an’ny tanora eto amintsika. Niarahan’ny fanjakana malagasy sy ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny asa (OIT) teny Anosy, izany. Nanotrona tao koa ny sendikàn’ny mpiasa sy ny mpandraharaha eto amintsika. Tanjona ny hijery ny olana tsy ahazoan’ny […]




