Fiaraha-monina

Fifanosehana teny Mahamasina : misokatra ny fanadihadiana !

Misokatra ny fanadihadiana mahakasika ilay fifanosehana mahatsiravina, teny Mahamasina, ny zoma lasa teo. Mandray an-tanana ny famotorana ny Emmo/Far Antananarivo. Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny mpitandro filaminana, ny sa­botsy 26 aogositra teo, mahakasika ny tranga namoizan’ aina olona teny amin’ny kianja Barea. “Ny fanadihadiana no hamatarana ny fizotry ny loza […]

Avy amin’ny volan’ny kaominina : nahavita fotodrafitrasa maro Ambatoboeny

Mametraka fomba fiasa madio sy mangarahara mampandray andraikitra ny daholobe ny ben’ny Tanànan’ny kaominina Ambatoboeny, Rako­tonandrasana Jean Valerien. Isan-taona, mahatsangana fotodrafitrasa avy amin’ny volan’ny kaomina madiodio izy sy ny ekipany. Notokanana ny herinandro teo ny sekoly tao amin’ny fokontany Anka­rambilo. Raha itodihana ny zava-bita nandritra ny fe-potoam-piasany indroa nisesy, miroso […]

67ha : nodiovina ny faritra eny amin’ny Parking

Nodiovina ny lalana sy ny faritra eny amin’ny Parking 67 ha Avaratra Atsinanana, ny sabotsy lasa teo. Nanatanteraka izany ireo mpikambana eo anivon’ny Association des jeunes forts pour le développement de Madagascar miaraka amin’ny « les abonnés », mpampiasa ny fiantsonana. « Ho fanampiana ny mpitantana eo anivon’ny kaominina amin’ny fanadiovana ny tanàna […]

Nanomboka ny 2018: miaina anaty fahantrana ny 66,9% amin’ny zaza

Mahazo vahana ny fahantrana lalina eo anivon’ny fianakaviana. “Indrindra ireo entin’ny renim-pianakaviana irery izay tsy nandia fianarana na nisara-bady”, hoy ny MODA. 66,9% amin’ny zaza malagasy no iharan’ny fahantrana marolafy. Antontanisa tsy niova nanomboka ny taona 2018 no ho mankaty, araka ny fanadihadiana momba ny tsy fisitrahan’ny ankizy ny zony […]

Ramavoarihanjasoa Hasina H. : “Tena mila fampitaovana ny mpianatra”

Tsy misy resaka politika fa noho ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny amin’izao fidiran’ny mpianatra ato ho ato izao. Izay no nanetsika an-dRamavoarihanjasoa Hasinanirina Hélinah nizara “kit scolaire” ho an’ny mpianatra 500 teny amin’ny fokontany Ankorondrano, kaominina Tsiafahy, Antananarivo Atsimondrano, omaly. Nisitraka izany ny zanaky ny sahirana eo an-toerana sy ny mpianatry […]