Fiaraha-monina

Akany Iarivo Mivoy : ahodina ho lasa zavakanto ny akora

Nanao atrikasa mikasika ny fanodinana sy fandrariana ny akora eo ampelatanana ho lasa haingo sy zavatra azo ampiasaina indray ireo ankizy sy tanora mipetraka etsy amin’ny Akany Iarivo Mivoy, Anosizato. Niarahana tamin’ny ekipan’ny “Art et Culture (AEC)” izany. Nahafahan’ireo ankohonana ao an-toerana nisitraka fiofanana momba ny fikirakirana akora plastika rariana. […]

Fanadinam-panjakana : hisokatra ny volana janoary ny fisoratana anarana

Ilain’ny sekoly ny lamina momba ny tetiandrom-panadinana sy ny fisoratana anarana amin’ny fanadinam-panjakana, handrindrana ny fitantanana, indrindra ho an’ny sekoly tsy miankina. Navoakan’ny minisiteran’ ny Fanabeazam-pirenena ny alarobia teo, ny tetiandron’ny fanadinam-panjakana ho an’ny taom-piana­rana 2023-2024 sy ny fotoana handraisana ny fisoratana anarana ho an’ireo mpiadina, araka ny didy hitsivolana […]

Sekoly tsy miankina : mbola marisarisa ny fisoratana anarana

«Tapa-bolana mialoha ny 4 septambra, tetiandro hisantarana ny taom-pianarana 2023-2024, mbola marisarisa ny fisoratana anarana eny amin’ ny sekoly tsy miankina amin’ ny fanjakana», hoy ny mpitondra tenin’ny Vovonan’ ny sekoly tsy miankina eto Mada­ga­sikara, Rakotomalala Célin, omaly. Amin’ny sekoly iray eny Itaosy, mpianatra 20 no namandrika toerana fa hanaraka […]

YALI 2024 : misokatra ny fisoratana anarana

Nanomboka ny talata teo ary hitohy hatramin’ny 12 septambra ny fisoratana anarana sy fandraisana antontan-taratasy ho an’ny fandaharanasa «Young African Leaders Initiative (YALI) Mandela Washington Fellowship” ho an’ny taona 2024. Manana hatramin’ny 12 septambra ho avy izao ianareo tanora liana amin’izany hameno sy handefa ny antontan-taratasy ao amin’ny tranonkala mwfellows.info/apply […]

Fanafarana menaka : mihenjan-droa ny tady eo amin’ ny fadin-tseranana sy ny DMC

Eny anivon’ny fitsarana ambony ny raharaha mikasika ilay fanafarana menaka hodiovina ho azo ohanina ataon’ny orinasa DMC sy ny fitoriana ataon’ny fadin-tseranana. Mbola henjan-droa ny tady eo amin’ny roa tonta. Nitondra fanazavana afakomaly, tetsy Ampa­sa­madinika, ny mpiso­lovavan’ny orinasa Bid-Co, Rama­roson Tantely, sy ny mpisolovavan’ny orinasa DMC, Andriamparanirina Fanaja, mikasika ny […]