Fiaraha-monina

Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena-DNEPM: namaritra ny fomba hisorohana ny fivoahan’ny laza adina mialoha

Nodinihina manokana ny anjara andraikitry ny tsirairay momba ny fivoahan’ny laza adina mialoha ny fotoam-panadinana izay mateti-pitranga tato ho ato ka manimba ny lentan’ny fanadinam-panjakana. Tokony hahazo sazy mavesatra ireo voamarina fa nandray anjara tamin’ny famoahana ny laza adina mialoha. Nanambara ireo solontenan’ny “directions nationales” 10 fa ilaina ny manofana ny mpampianatra amin’ireo […]

Bakalorea Antananarivo: tsy mbola tanteraka ny “délibération”

Tsy nisy ny fanaovana ny “délibération” omaly, ho an’ny fanadinana bakalorea, eto Antananarivo satria tsy nahafapo ny fihaonana tamin’ny filohan’ny Oniversite, araka ny tatitry ny solontenan’ny mpitsara ny taratasim-panadinana teny Ankatso. Mitaky ny hanomezana ny karama mialoha izy ireo vao hiroso amin’ny fanohizana ny asa ka miandry izany. Manahy ny […]

Fanararaotana: misy ray aman-dreny manome vahana izany

Manoloana ny ady amin’ny famarinan’olona sy ny fa­nararaotana, nilaza ny Ame­rikani­na tamin’ny tatitra na­taony fa misy ireo iharan’ny fanararaotana ara-nofo no voambaka na voatery hanao izany tsy an-tsitrapo mba hahazoana vola. Eto Madagasikara, misy fotoana ny ray aman-drenin’ireo zaza tsy ampy taona iharan’ny fanararaotana ara-nofo ireo mihitsy no manome alalana ny mpanararaotra hanao ny […]

Mponina 1 800 000 voatsinjo: natomboka ny asa fanatsarana ny fitantanana ny fako eny Andralanitra

Hitondra fivoarana tsara ho an’ny fahadiovan’ny rivotra eto Antananarivo ny fanatsarana ny fitantanana ny fako eny Andralanitra. Hifarana ny taona 2026 ny tetikasa ary hanohana amin’ny fahazoana fitaovana enti-miasa ny Japone. Natomboka omaly ny asa ho fanatanterahana ny andiany faharoa amin’ny tetikasa « Gesda » na Fanatsarana ny fitantanana ny fako ho […]

Antalaha : nohavaozina ny tanàna Orange roa

Nanomboka ny taona 2012 no notohanan’ny Orange solidarité sy ny Fondation Orange ny tanànan’i Mahe­vadoany sy Ambodirafia, Cap Est, ao amin’ny distrikan’An­talaha. Nohavaozina ny fotodrafitrasa maromaro, araka ny fifanarahana tamin’ny ONG Macolline. Tafiditra amin’izany ny toeram-pisakafoana an-dakilasy, toeram-pidiovana sy fivoa­hana ary ny paompin-drano hampiasain’ny mpianatra sy ny mponina ao Mahevadoany. […]