Fiaraha-monina

Boriborintany V : 50 ireo ankizy nahazo fampianarana kabary sy kilalao malagasy

Nisokatra omaly alarobia ny andiany voalohany amin’ny fampianarana kabary sy kilalao malagasy eny anivon’ny boriborintany enina eto Anta­na­narivo. Hetsika karakarain’ny Fitaleavana misahana ny haikanto, kolon­tsaina ary ny fiainam-piarahamonina eo anivon’ny CUA sy ny Manda mpikabary. Tilina sy andrasana amin’izany, ireo ankizy latsaky ny 15 taona. Tonga maro ireo ankizy nandritra ny […]

Kly Andrianarivo Rianatsiory : “Efa tsapa ny fihenan’ny tsy fandriam­pahalemana eto Menabe…”

“Tsy ho voafehy zato isan-jato ny tsy fandriampahalemana saingy efa tsapa kosa ny fihenan’izany eto Menabe…”, hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimaria Menabe, ny Kly Andrianarivo Rianatsiory. Azo lazaina fa milamina! Toerana anisan’ny ma­hasarika mpizahatany maro i Morondava, faritra Me­nabe. Ho an’ireo hitsidika ny tsingin’i Bemaraha dia lalana andalovana mihazo […]

Fanadinana bakalorea – Toamasina : vinavinaina hivoaka ny 17 aogositra ny valiny

Nifarana ny zoma faha-28 jolay teo ny fitsarana ny taratasim-panadinana bakalorea, Toamasina I, ho an’ny fampianarana ankapobeny tetsy amin’ny Lisea Jacques Rabe­mananjara. Efa miditra amin’ny fampidirana ireo naoty anaty solosaina ny tomponandraikitra ary mbola hisy fanamarinana farany. Raha ny teo amin’ny taranja Tantara sy Jeografia izay ahitana taratasim-panadinana roa, samy […]

« Teach For Madagascar » : mpilatsaka an-tsitrapo 50 nahavita fiofanana

Notanterahina tao amin’ny efitranon’ny orinasa Telma Andraharo ny lanonana andiany faha-10, fizarana taratasy fanamarinana ny fahavitan’ny fiofanana sy ho fankasitrahana an’ireo mpilatsaka an-tsitrapo izay nofanin’ny «Teach For Madagascar» (TFM). Miisa 50 mianadahy izy ireo no nahazo ny mari-pankasitrahana rehefa nanaraka ny fiofanana tamin’ny fandaharam-potoana «Taly Corps», «Diary Nofy» ary «Kolo […]

Vovonan’ny firaisamonim-pirenena HINA : hitohy ny fitondrana vahaolana mandritra ny hamehana

Manana vina roa goavana ny Vovonan’ny firaisamonim-pirenena misehatra ho an’ny fanjarian-tsakafo (HINA), mandritra ny telo taona ho avy. Zava-dehibe ny fanetsehana ny loharano olona sy vola hanatanterahana ny asa eny ifotony. Hitohy ho an’ny telo taona manaraka handraisan’ny mpikambana vaovao ao amin’ny Vo­vonan’ny firaisamonim-pirenena misehatra ho an’ny fanjarian-tsakafo (HINA) ny […]