Nahitana fihenana 8,5% ny tahan’ny fiakaran’ny vidim-piainana raha ny antontanisa nivoaka. “Nihena izany raha oharina tamin’ny volana avrily teo. Mbola misy fiakarana kosa ny vidim-bary eny an-tsena, indrindra fa ny vary hafarana”, hoy ny tale jeneraly Instat, Ndremitsara Tarzan. Nambarany ho anton’izany ireo mpanararaotra ka niantsoany ny tokony hanamafisan’ny tomponandraikitry […]
Fiaraha-monina
Psikology Andrianilaina Koloina: Mampikatso fiainan’olona ny fanaovana «harcèlement»
Ahitana ny «harcèlement» ny sehatra maro. Miteraka fikatsoana fiainan’olona maro anefa izany na ankizy na lehibe. Mitarika hatrany amin’ny famonoan-tena mihitsy izany ho an’ireo sasany. Hanaovan’ny Holafitry ny psykology loabary an-dasy ny momba io lohahevitra io amin’ny herinandro. Hiresaka momba ny «harcèlement» na ireo karazana herisetra ny Holafitry ny psikology, […]
Tetikasa Fiovana : hanatsarana ny fanjarian-tsakafo any Atsimo Atsinanana
Mifototra amin’ny fanatsarana ny fanjarian-tsakafo any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana ny tetikasa “Fiovana” izay vatsian’ny USAID Madagasikara ary tanterahin’ny Adra. Tokantrano 71 476 no kendrena amin’izany. Tamin’ity volana oktobra ity, mpikambana 120 avy amin’ireo vondron’ny anaka amin-dreny (M2M) napetraky ny tetikasa “Fiovana” eny amin’ireo fiarahamonina iasany no nahazo fiofanana momba […]
Logos Hope : ho avy ao Antsiranana
Hijanona ao Antsiranana ny tranomboky mitsingevana lehibe indrindra maneran-tany, Logos Hope, manomboka ny 27 oktobra ka hatramin’ny 12 novambra ho avy izao. Hisokatra ho an’ny rehetra mandritra io fotoana io ny tranomboky. Maherin’ny 5 000 ny boky haranty sy hamidy amin’ny vidiny mirary ho an’ny mpitsidika. Hita ao avokoa ireo […]
Faritry ny oniversiten’Antananarivo : tsy azo anaovana hetsika politika eny an-toerana
Matetika no tsy voahaja ny “franchise universitaire” fa izay vao nanao fanambarana ny fiadidiana ny oniversiten’Antananarivo izay manameloka ny fanaovana hetsika politika anatin’ny faritry ny oniversite. Nanao fanambarana ny fiadidiana ny oniversiten’Antananarivo, ny alarobia lasa teo, fa toerana natokana ho an’ny fampianarana sy fikarohana ny onivesiten’Antananarivo ary manana “franchise universitaire” […]





