Tafakatra 120 ireo mpanao gazety efa nisitraka fiofanana niarahana tamin’ny komity mitandro ny fahitsiana (CSI), raha ny nambaran’ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety, Monica Rasoloarison teny Amboanjobe-Andoharanofotsy, ny 11 oktobra lasa teo. Manoloana ny kolikoly izay tsy mety foana eny anivon’ny sampandraharaha maro isan-karazany amin’izao fotoana, mpanao gazety 17 avy […]
Fiaraha-monina
Mandritra ny fidinana eny an-kianja : mila manaraka ny lamina ny mpanao gazety
Ny lalàna no arofanina ho an’ny asa fanaovan-gazety ao anatin’izao savorovoro politika sy krizy lalovan’ny firenena izao, hoy ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety, Rasoloarison Harifeno Monica, afakomaly tetsy Ambodivona. Manana ny lalàna 2020/ 006 tamin’ny 1 septambra 2020 iny ny mpanao gazety mifehy ny serasera amin’ny haino vaky jery. […]
Vaksiny miaro amin’ny poliomelita : ho an’ny ankizy latsaky ny 15 taona
Nanomboka ny talata teo ary hifarana ny zoma ho avy izao ny hetsika fanaovam-baksiny faobe miaro amin’ny aretina lefakozatra sady ady amin’ny aretina azo avy amin’ny tay miparitaka. Natokana ho an’ny zaza vao teraka hatramin’ny 15 taona indray ny vaksiny amin’ity andiany ity. Voakasika avokoa ny faritra 23 ary nisy […]
Lycée sy CEG : Amerikanina roa hampianatra teny anglisy
Hiantsehatra eo amin’ny sehatry ny fampianarana eto Madagasikara, ireo mpampianatra teny anglisy mianadahy misitraka ny vatsim-pianarana “Fullbright”, antsoina koa hoe ETA. Manaraka fiofanana maharitra efatra andro ao amin’ny masoivoho amerikanina ireto ETA vao tonga ireto mialohan’ny hanombohany ny fampianarana teny anglisy eny anivon’ireo sekoly ambaratonga fototra sy lisea eto Antananarivo […]
Toerana saro-dalana : nanavotra vehivavy 1,4 tapitrisa ny fampiasana “drone”
Natao, omaly, teny Alarobia, ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny UNFPA, ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny Etamazaoron’ny Tafika ana habakabaka, ny BNGRC ary ny ONG Pivot hanitarana ny fanaterana fanafody amin’ny alalan’ny “drone” ho an’ny faritra dimy. Tao anatin’ny fito volana nampiasana “drone” hanaterana ny fanafody amin’ny toerana tena saro-dalana. Vehivavy 1,4 […]





