Fiaraha-monina

Tetitasa Access : nanolotra fitaovana mitentina 507 tapitrisa Ar

Mitentina 111 500 dolara (507 tapitrisa Ar) ny fampitaovana avy amin’ny USAID, ho an’ny minisiteran’ny Fahasalam-bahoaka. Solosaina avolenta sy teknolojia fampitana torohay manara-penitra no natolotra tamin’izany. “Ireo fitaovana ireo dia hanatsara ny fahavononan’ny minisitera hiatrika ny olan’ny fahasalamam-bahoaka sy hanatsara ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny vahoaka malagasy”, hoy i […]

Hetsika tetsy Tanjombato : nanelanelana ny mpitandro filaminana

Voasoroka ny fifandonana teo amin’ireo samy sivily manaraka ny hetsiky ny kandidà 11 andaniny sy ireo mpomba ny laharana fahatelo ankilany, teny Tanjombato, omaly. Samy nanainga teo amin’ny kaominina Tanjombato avokoa na ny hetsi-bahoaka notarihin’ny kandidà 11 na ny fampielezan-kevitra nataon’ny so­lontenan’ny kandidà laharana fahatelo. Niatrana teny an-toerana anefa ny […]

Collectif des travailleurs : miantso fifampi­dini­han’ny mpiasa malagasy rehetra

Hikarakarakara fivoriambe iombonana (AG) ny vondron’ny mpiasa malagasy “collectif des travailleurs” ny zoma izao, etsy amin’ny Live Hotel Andavamamba. Miantso ny mpiasa malagasy rehetra miankina na tsy miankina, ireo tomponandraikitra rehetra eto amin’ny firenena, ny miaramila misotro ronono, ny mpiara-mikatroka…izy ireo mba hanatrika izany. Tanjona ny hijerena vahaolana mahakasika ny […]

Fanentanana fanoherana: Itrangana herisetra ny fanofanana teknika

Nisy hetsika fanentanana ho fanoherana ny herisetra ara-nofo eny anivon’ireo ivontoeram-panofanana teknika sy arakasa tany Antsirabe, tamin’ity herinandro ity ary hifarana anio. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa «Trade for decent work» karakarain’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny asa (OIT) ho an’i Madagasikara, Comores, Maurice ary Seychelles ny hetsika. Vatsin’ny Vondrona eoropeanina […]

Olana sosialy eny amin’ny Onivesite : mangataka vahaolana anatin’ ny 72 ora ny mpianatra

Miantso ny fanjakana hitondra vahaolana amin’ny olana sosialy mihatra aminy ny mpianatra amin’izao fotoana izao. Tsy mbola mitohy ny fampianarana. Manome 72 ora ny fitondrana hamahana ireo olana samihafa miseho eny amin’ny oniversiten’ Antananarivo ny fikambanan’ ny mpianatra amin’ny faritra 23, araka ny fanambarana nataon’izy ireo, omaly. Sin­ganiny amin’izany ny […]