Navondrona amin’ny toerana iray anaty tranoheva eny amin’ny tokotanin’ny orinasa Orange ny fandaharanasa sosialy rehetra (village solidaire) ho fanampiana ny mpiara-belona sahanin’ny Orange solidarité Madagasikara. Tao anatin’ny 10 taona, nanohana ny fanabeazana izy ireo ary nampiroborobo ny fanabeazana nomerika mampivoatra ny fomba fampitana fahalalana any an-dakilasy. Nizarana «tablette» ny sekoly […]
Fiaraha-monina
Andavamamba : hatsangana ny toeram-ponenana vaovao
Hotanterahina anio ny fametrahana ny vatofototry ny toeram-ponenana vaovao eny Andavamamba. Iarahana amin’ny tetikasa “Produir” sy ny Agetipa, ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany ary ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny asa. Amin’io ihany koa no hampahafantarana ny endriky ny toeram-ponenana haorina eny an-toerana. Ankoatra izany ny fisian’ny tranoheva fampahafantarana ny tetikasa […]
Mpiadina mendrika tamin’ny CEPE 2023 : notoloran’ny kaominina Antananarivo Renivohitra fanomezana
Tsy nanadino ireo mpianatra nisongadina ka nahazo salanisa ambony indrindra tamin’ny fanadinam-panjakana CEPE ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Toy ny efa fanaon’ny kaominina isan-taona, notanterahina omaly, tao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ny fiarahabana sy ny fankasitrahana ireo ankizy mendrika indrindra tamin’ny fanadinam-panjakana CEPE 2022-2023 teo anivon’ny boriborintany enina eto an-dRenivohitra. Notoloran’ny […]
Fiangonana advantista: naneho fitiavana tamin’ny hazakazaka Agape
Toy ny fanao isan-taona eo anivon’ny fiangonana advantista, notanterahina omaly alahady, tetsy amin’ny farihin’Anosy ny famaranana ny hetsika lehibe feon’ny tanora, fitoriana ny filazantsara, nokarakarain’ny fikambanan’ny tanora miara-miasa amin’ny fikambanana ANZ (Andry Ny Zarantsoa). Tafiditra tamin’izany koa ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenen’ny mpisavalalana. Ho fanamarihana izany, nisy ny hazakazaka Agape, […]
Mampisara-taona : ho maina ny andro anatin’ny hateloana
“Ho maina ny andro ao anatin’ny telo andro manaraka”, hoy ny teknisianina eny amin’ny foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly. Ny ilany avaratra atsinanan’ny Nosy sy ny faritra Melaky no hisitraka rotsakorana fa ny faritra sisa ho maina avokoa. Anatin’ny vanim-potoana manasara-taona isika izao ary indraindray mbola mahatsapa hatsiaka. […]





